• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Bakalôrea : Olona miisa fito tratra tamin’ny fanapariahana laza adina diso manerana ny Nosy

30/07/2024 09:30 © Moov

Tamin’ny fikarohana sy ny fanadihadian’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES) no namoaka fa miisa fito ireo tratra tamin’ny fanapariahana laza adina diso manerana ny Nosy. Ny roa tamin’ireo tratra teto Antananarivo ary ny dimy hafa kosa dia tany amin’ny faritra hafa.

Nihatsara ny fandaminana

Noho ny fiarahamiasan’ny Ministera sy ireo sampan-draharaha samihafa dia nahitana fihatsarana ny fizotran’ny fanadinana bakalôrea tamin’ity taona 2024 ity. Noho io fiaraha-miasa io rahateo no nahafahana nahatratra ireo olon-dratsy mpanaparitaka ny laza adina diso ireo. Ankoatra izany anefa dia nihamafy ihany koa ireo fiarovana sy fandaminana rehetra. Raha tsiahivina ny herinandro teo no nanatanterahana ny fanadinana ho an’ny sokajy ankapobeny ary nahitam-pahombiazana ny filaminana hoy ny avy ao amin’ny Ministera. « Mampiseho ireny zava-niseho nandritra ny efatra andro ireny fa nahomby ireo fepetra noraisina », hoy ny avy ao amin’ny Ministera. Marihina fa tsy nisy ny fampiasana ny laza adina fiandry, tsy nisy fahataran’ny fanombohana ny taranja sy ireo olana matetika miseho. Nisy ihany koa ireo mpianatra izay nanao hosoka no tratra tamin’io fandaminana io. Izany no afaka hanamabarana fa nahitana fahombiazany ny fandaminana.

Mila fitandremana

Ho an’ny fanadinana izay mbola ho karakaraina manaraka dia nampitandrina sahady ireo izay mikasa hanao izany hosoka izany ny Ministera. Misy ireo fepetra ho raisina avy hatrany amin’ireo izay minia manaparitaka ireny laza adina ireny. Ireny no tena antony iray mahatonga ny korontana eny anivon’ny Fanadinam-panjakana bakalôrea. Nahitana izany tranga izany ohatra ny tamin’ny taona 2019 sy 2023 farany teo. Araka izany dia mampitandrina sahady ny Ministera fa tsy maintsy raisina ireo fepetra ireo. Nanamarika izy ireo fa ho ampitomboina hatrany io asa fiarovana ny fanadinana bakalôrea io. Mifanaraka amin’izany ihany koa dia nilaza izy ireo fa ireo laza adina rehetra mivoaka mialoha dia tsy misy marina avokoa ireny noho io asa fiarovana nohavaozina io.

Lire la suite

Articles Similaires