• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fanarenana ny RN-4 : Andalam-panamboarana ny eo anelanelan’i Berivotra 5/5 sy Ambondromamy

29/07/2024 15:46 © Moov.Mg

Tetikasa miisa roa no ho avy, ho fanarenana ny lalam-pirenena faha-4. Ireo teboka mainty eo anelanelan’i Berivotra 5/5 sy Ambondromamy kosa no efa an-dalam-panamboarana amin’izao fotoana izao.

Fotodrafitrasa mateza

Manomboka indray ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faha-4, taorian’ny vanim-potoanan’ny orana sy rehefa nipetraka daholo ny lamina ara-pitantanana rehetra. Ahitana faritra isan’ny ratsy eo anelanelan’i Berivotra 5/5 sy Ambondromamy, ka efa ao anatin’ny fanamboarana tanteraka io ampahan-dalana io ny ministeran’ny Asa Vaventy ankehitriny, amin’ny alalan’ny fanetsehana ny vola manokan’ny ministera. Manara-maso izany asa izany ny labôratoaram-pirenena momba ny asa vaventy, fa midina an-kianja mijery ifotony izany koa ny minisitra, ny Kôlônely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, amin’ny maha-teknisianina azy. Tanjona ny hananana fotodrafitrasa mateza sy tsara kalitao.

Fampandrosoana maharitra

Ankoatra ity asa efa mandeha ity, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Asa Vaventy, dia mbola misy tetikasa roa goavana ihany koa hatomboka atsy ho atsy, ho fanarenana ity lalam-pirenena faha-4 ity. Misy ny asa voasokajy ho hamehana (CERC) ao anatin’ny tetikasa PCMCI (Projet Connecter Madagascar pour une Croissance Inclusive), izay hiantohana ny fanarenana ny lalana, taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza. Eo koa anefa ny tetikasa ho an’ny fampandrosoana maharitra, dia ny PDDR (Projet de Développement Durable du secteur Routier) izany. Ny Banky Iraisam-pirenea avokoa no mamatsy vola ireo tetikasa roa ireo.
Nanafatra ny amin’ny tokony hanajan’ny mpampiasa lalana ny fotodrafitrasa ny minisitry ny Asa Vaventy, ny kôlônely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah. Isan’izany ny tsy tokony hanamboarana na hanasana fiara eny amin’ny lalam-pirenena, fa manimba azy ireny vetivety izany.

Lire la suite

Articles Similaires