• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fitsarana taratasim-panadinana BAC : Tsara ny naotin’ireo mpianatra hoy ireo mpitsara

29/07/2024 15:42 © Moov

Nanomboka androany tamin’ny 7 ora maraina ny fitsarana ny taratasim-panadinana BAC. Nanombohana izany ireo taranja rehetra tamin’ny sokajy ankapobeny raha ho an’ny faritanin’Antananarivo. Tsara ny voka-panadinana ho an’ireo mpitsara maromaro efa nahavita ny sasany tamin’ireo taratasim-panadinany.

Voafehin’ny mpianatra ny laza adina

Azo lazaina ho misy antenaina ireo mpianatra nanala fanadinam-panjakana bakalôrea tamin’ity taona ity. Tsara ny vokatra hoy ireo mpampianatra ary tamin’ny taranja rehetra izany. Na dia azo lazaina ho mora aza ny laza adina dia efa mivoatra ihany koa ny fahafehezan’ny mpianatra izany hoy ireo mpitsara. « Efa tsara fiomanana ny mpianatra raha tsy hiteny afatsy ny fisian’ny aterineto izay afaka manampy betsaka azy ireo amin’ny fikarohana. Izany fikarohana nataon’izy ireo izany no tsy nanampoizana ny vokatra », hoy ny solontenan’ireo mpitsara ny taranja filôzôfia. Raha ho an’ity taranja ity manokana ohatra dia manodidina ny 7 hatramin’ny 18 amin’ny 20 ny naotin’ireo mpianatra. Ny laza adina faharoa no betsaka mpisafidy ary nanao izany tamin’ny teny malagasy ny ankamaroan’ireo mpianatra. Ankoatra ity taranja ity anefa dia mbola azo antenaina ihany koa ireo taranja hafa toa ny matematika izay hatahoran’ireo mpianatra hatrany.

Haharitra 2 herinandro

Haharitra roa herinandro ny fitsarana ny fanadinana bakalôrea rehetra. Raha tsiahivina dia mbola ao anatin’ny famaranana ny taranja hafa ireo ao amin’ny sokajy teknika mandritra ity herinandro ity. Ezahina ho vitaina amin’ny faran’ity herinandro ity kosa ny fitsarana ireo taratasim-panadinana amin’ny sokajy ankapobeny rehetra mba hahafahana mitsara ireo sokajy teknika indray ny herinandro ho avy izao. Tombanana hivoaka iray volana aorian’ny fanombohan’ny fitsarana ny fanadinana.

Milamina ny fitsarana

Raha ny tamin’iny maraina iny dia azo lazaina ho nilamina ny fitsarana. « Hatreto aloha dia milamina tsara. Efa samy manao ny asany am-pilaminana daholo fa ny valin-kasasarana kosa efa voamarina fa rehefa vita ny délibération no ho raisina », hoy hatrany ireo mpitsara fanadinana. Raha tsiahivina ny taona 2023 dia nisy korontana ny fitsarana ny fanadinana bakalôrea noho ny fandoavana ny tambin-karama izay saika nisy olana. Efa novahana izany olana izany ka milamina hatreto aloha ny fitsarana ny BAC.

Lire la suite

Articles Similaires