• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmbm
Image
Vaovao

Baiboly Malagasy voalohany : Marihina amin’ny taona 2025 ny faha-190 taona nahavitana printy

29/07/2024 12:42 © Moov.Mg

Hankalazaina amin’ny taona 2025 ho avy io ny tsingerin-taona faha-190 nahavitana printy ny Baiboly Malagasy voalohany. Ho fanamarihana izany dia mikarakara fifaninanana hira faneva sy sary famantarana ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM).

Dikan-teny isan-karazany

Araka ny tantara, dia ireo anglisy avy amin’ny London Missionary Society (LMS), dia i David Jones, izay tonga teto Antananarivo ny 04 oktobra 1820, sy i David Griffiths nigadona teto tamin' ny 15 mey 1821, no nanomboka nandika ny Baiboly tamin'ny teny malagasy. Ny Filazantsaran'i Lioka no nanombohan’izy ireo izany, niaraka tamin'ny mpianatr'izy ireo niisa roapolo lahy. Tamin'ny taona 1830 no vita tanteraka ny Testamenta Vaovao, ka niisa 3 000 no naparitaka. Tamin’ny taona 1835 kosa no vita dika manontolo amin'ny teny malagasy, ary vita printy ihany koa, ny Baiboly malagasy voalohany. Amin’izao fotoana izao dia efa maro ny dikan-tenin' ny Baiboly amin'ny teny malagasy. Misy ireo dikan-teny nataon' ny Prôtestanta, ao ny nataon' ny Katôlika, ao ny dikan-teny iombonana, sns. Efa misy ihany koa aza ny Baiboly amin'ny fitenim-paritra, toy ny amin'ny fiteny Antandroy, Betsileo, Sihanaka…

Hira faneva sy sary famantarana

Homarihina miaraka amin’ny faha-190 taona nahavitana printy ny Baiboly Malagasy voalohany ihany koa ny faha-60 taonan’ny FMBM. Lohahevitra hitondrana ny fankalazana ny hoe : « Mandre ny teny, mandray, mamoa », izay nosintonina avy amin’ny Evanjelin’i Md Marka 4.13-20. Ho fanamarihana ity tsingerin-taona ity dia miantso ny Kristianina rehetra manan-talenta amin’ny famoronan-kira ny FMBM, mba handray anjara amin’ny famoronana ny hira fanevan’ny fankalazana. Misokatra amin’ny 1 aogositra izao ny fandraisana ireo sangan’asan’ny mpifaninana ary mifarana amin’ny 30 septambra. Efa misokatra ihany koa ny fandraisana ireo sary famantarana (logo) mifaninana, hatramin’ny 12 aogositra izao. Ny andinindinin’ny fitsipika moa dia azo jerena ao anatin’ny pejy Facebook Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires