• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Fiarahamonina : Rongony milanja 405,2 kilao tratra teny Andohatapenaka

29/07/2024 10:30 © Moov

Nahatrarana rongony milanja 405,2 kilao indray tetsy Andohatapenaka ny faran’ny herinandro lasa teo. Lehilahy iray no voasambotra tamin’izany. Mbola manamafy hatrany ny asa hisorohana ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny vokatr’izany izao fahatrarana ireto rongony ireto izao.

Raha ny fanampim-baovao avy amin’ny Polisim-pirenena, izay manana ny Sampandraharaha miady amin'ny fidorohana zava-mahadomelina, dia nokasaina ho aparitaka manerana ny Renivohitra ireto rongony ireto. Avy any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy tany no nangalana azy ireo. Efa maro ny toerana hahafahana manjifa ireny zava-mahadomelina ireny. Ireny toerana ireny mihitsy araka izany no tokony hofongorina raha te hanatratra ny tanjona lehibe, dia ny famongorana ny fanaparitahana sy fidorohana zava-mahadomelina. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia fiara lehibe iray no nitondra ireto zava-mahadomelina ireto. Nafenina tao anaty gony miisa 32 izany ary nofonosina harona solefanina mainty. Amin’izao fotoana izao aloha dia lehilahy iray 62 taona tompon'ny entana no voasambotra eny anivon’ny Polisim-pirenena. Mbola maro ihany koa etsy andaniny ny ady amin’ity fanafoanana ny zava-mahadomelina ity ary asa tsy vitan’olon-tokana.

Loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo

Mbola mitohy hatrany ny fanentanana ny olona rehetra amin’ny fitorohana ireo izay mivarotra na manjifa ireny rongony ireny. Matetika dia ahitana fahombiazana hatrany izany saingy ny mpamatsy mihitsy no efa mitombo hatrany. Raha ny vaovao farany teo izao rongony roa gony tokony ho eo ho eo amin'ny 22kg latsaka kely avy any amin'ny Kaominina Belalôgno Distrikan'i Befandriana Avaratra no saron'ny Zandarimariam-pirenena tao Maroantsetra tamin’ity volana jolay ity. Loharanom-baovao avy tamin'olona tsara sitrapo no nahafahana nanao velampandrika nahatratrarana ireto zava-mahadomelina ireto. Ankoatra izany asa fikarohana ny mpamatsy rongony izany dia mitohy ihany koa ny fanafoanana ny fambolena azy. Efa maherin’ny 600 000 fototra amin’izao fotoana izao ny rongony nongotan’ny Zandary tany Ambanja tamin’iny volana jolay iny hatrany. Manerana ny Nosy izany asa atao izany fa ny any amin’ny fairtra irery ihany.

Lire la suite

Articles Similaires