• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fleurs Éveillées Atsinanana
Image
Vaovao

Fikambanana Fleurs Eveillées : Manofana tanora efa manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao

29/07/2024 09:24 © Moov

Efa maro amin’izao fotoana izao ireo tanora niofana sy mbola manohy fiofanana ao amin’ny Fikambanana Fleurs Eveillées. Ireo tanora amin’ny faritra iva manerana ny Nosy no mahazo tombony amin’izany. Momba ny fahaiza-manao sy ny fitaizana ao anaty fiaraha-monina moa no hatolotra azy ireo amin’izany.

Manerana ny Nosy

Efa tanora maro mihitsy no misitraka izany fampiofanana izany amin’izao fotoana izao. Tanjon’ity Fikambanana ity ny hampitovy zo ny tanora rehetra. « Tany Toamasina no nanombohan’ny Fikambanana ary ny mba hahazon’ireo tanora eny amin’ny faritra iva ny fahafahana mitovy amin’ny tanora rehetra no tanjona tamin’izany », hoy ny Filohan’ny Fikambanana. Marihina fa efa dimy tao amin’izao ny niorenan’ny fikambanana ary ny tanora rehetra mihitsy no ho tratrarina amin’ireo fiofanana. Ankoatra ny any Toamasina sy ny eto Antananarivo dia efa manana ny sampana ihany koa ny any amin’ny faritra hafa. Ao anatin’izany i Mananjary, Antsiranana, Mahajanga, Toliara, Fianarantsoa ary i Tolagnaro izay vao nisokatra tamin’ny herinandro lasa teo.

Fampiofanana arak’asa

Ady amin’ny tsy fitovian-jo no tena tanjon’ny fikambanana. Maro ireo zava-misy tsy mampitovy ny tanora ka izay indrindra no ezahina arenina. Amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavana dia ny tsy fahampiana ara-bola no miteraka izany. Araka izany dia fiofanana arak’asa no hatolotra ireto tanora ireto. « Fiofanana tsy mihoatra ny 3 volana no hatolotra ireo tanora ireo ary aorian’izay dia afaka miasa sy mamorona asa ho azy izy », hoy hatrany ity Tompon’andraikitra ity. Hampianarina araka izany ny tanora mba hahaleo tena sy hatoky tena hahafahany mivoatra eo amin’ny fiainany. Raha ny farany teo izao dia fampiofanana resaka jono sy fiompiana trondro no niarahana niasa tamin’ny Ministeran’ny jono sy ny toekarena manga. Ankoatra ity farany ity anefa dia fiofanana mifanaraka amin’ny filàna isaky ny faritra no hatolotra ireo tanora ireo.

Lire la suite

Articles Similaires