• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tily
Image
Vaovao

Tily Eto Madagasikara : Hisokatra amin’ny alakamisy ny lasy jaobily faha-100 taona

29/07/2024 08:40 © Moov.Mg

Isan’ny fotoana lehibe entin’ny Tily Eto Madagasikara manamarika ny tsingerin-taona faha-100 niforonany, ny lasy lehibe hotanterahina eny Fihaonana Ankazobe, Faritra Analamanga, manomboka amin’ny voalohan’ny volana aogositra izao.

Manaraka ny fivoarana

Nokendrena mba hanana endrika miavaka amin’ireo lasy fanaon’ny skoto mahazatra ity fankalazana ny faha-100 taonan’ny Tily Eto Madagasikara ity. Ankoatra ireo karazana lalao sy sahanasa efa mahazatra ny skoto rehefa milasy, toy ny fiainana ankalamanjana amin’ny maha-lasy azy, ny fampiharana ny teknika skoto isan-karazany... dia hisy ihany koa ny endrika lalao hahafahana miaina ny toe-tsaina sy ny fanabeazana skoto amin'ny endriny manaraka ny fivoarana, sy manintona ny tanora ankehitriny. Isan’izany ny « jeux vidéo » sy ny fiarahana manao fizahan-tany amin'ny moto. Izany no natao, dia satria manome tolotra ara-panabeazana mivoatra sy manintona, nefa mivoy hatrany ny toe-tsaina skoto, ny fanabeazana skotisma. Ankoatra ny lalàna sy fitsipika skoto moa, dia filamatra hiainana mandritra ny fankalazana sy ny lasy jaobily ny hoe : Marina, Mipaka ary Matanjaka.

Fanekena skoto

Ny 1 hatramin'ny 5 aogositra 2024 izao no hanatanterahana izany, eny Fihaonana Ankazobe PK 55 RN4. Tily 10.000 mahery avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no andrasana hiara-paly sy hikorana eny an-toerana, mandritra ireo andro maromaro ireo. Ny talata 30 jolay dia efa afaka miditra manomana ny toerany ny mpilasy rehetra. Ny alakamisy 1 aogositra amin'ny 08 ora sy sasany kosa no hanatanterahana ny fanokafana ny lasy amin'ny fomba ofisialy, hotronin’ireo manam-pahefana sy mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny. Afaka manatrika izany ihany koa ny daholobe. Amin'io andron’ny alakamisy io ihany koa, dia hiara-hanonona ny fanekena skoto ny Tily rehetra, na aiza na aiza misy azy, rehefa mipaika ny amin’ny 5ora 30mn hariva, ho fanamarihana ny 1 aogositra, tsingerin-taona niforonan'ny skotisma maneran-tany.

Ankoatra ny lasy jaobily dia maromaro ny fotoan-dehibe hatrehin’ny skotisma amin’ity volana aogositra ity. Isan’izany ny fifidianana ny komity mpitantana ny skotisma maneran-tany, izay hotanterahina mandritra ny Fivoariam-ben'ny Skoto Maneran-tany, hatao ny 17 hatramin'ny 23 aogositra ho avy izao, any Caire Ejipta. Sanda Rasoamahenina no kandidà tera-tany malagasy amin’izany. Etsy an-daniny, ny 25 aogositra no hanolorana ireo mpitantana vaovao voafidin'ireo rafitra isan-tokony eo anivon'ny Tily Eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires