• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 22 hatramin'ny 28 jolay 2024

29/07/2024 07:59 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 22 hatramin'ny alahady 28 jolay 2024.

RN2 # Fanamboaran-dalana eny Carion

Mampitaraina ny maro ny fahapotehan'ny lalampirenena faharoa, indrindra amin'izao fialantsasatra izao. Nanomboka tamin'iny herinandro iny ny asa fanamboarana ireo ampahandalana nisy lavadavaka, ka ny teny Carion no nanatontosana izany. Somary nisy fitohanana nanomboka ny alakamisy lasa teo noho ny fanesorana ny "goudron" sy fametrahana ny vatokely ampitoviana tantana ny lalana. Misy ireo mpandrindra ny fifamoivozana eny amin'ireo toerana misy fanamboarana.
Antenaina hitohy hatrany izany fikojana ny RN2, mba hitsinjovana ireo mpitaritra sy mpandeha. Efa mahatratra 15 ora mantsy izao ny dia Antananarivo-Toamasina ho an'ireo taxi-brousse.

Lalao Olympika # Mbola misy fanantenana ny hahazoan'i Madagasikara Medaly

Ratsy ny vokatra ho an'i Madagasikara hatreto, mikasika ny Jeux Olympiques any Paris. Samy nihintsana mantsy na i Jonathan Raharvel (lomano) na i Fabio Rakotoarimanana (Tennis de Table). Mbola misy fanantenana nefa satria misy mpifaninana miisa 5 izay hiatrika kakao amin'ity herinandro ity. Hiady mafy ho an'i Madagasikara i Holy Antsa Rabejaona (lomano), Rosina Randafiarison (Fibatana fonjamby), Laura Rasoanaivo (Judo), Rija Vatomanga sy Sidonie Fiadanantsoa (Hazakazaka). Hatreto aloha, ny japoney no mitazona ny laharana voalohany. I Australie no faharoa ary Etazonia no laharana fahatelo.

Akamasoa # Hetsika Kopia faobe

Tamin'ny 4 jona lasa teo no nanombohan'ny Ministeran'ny Fitsarana ny "Fitsarana mitety vohitra", ary ny 24 jolay no nisantarana ny fanomezana kopia. Ny zo hanana anarana sy kopia mantsy no zo fototra voalohany tokony ananan'ny olona mba afahany misitrika ny zo hafa rehetra sy mandia ny fiainana andavanandro.
Ankizy miisa 615 no nisitraka kopia, teny amin'ny Akany Akamasoa. Nanotrona izany fizarana izany natrehan'i Mopera Pedro sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo ary ny Kaominina Ambanivohitra Ambohimangakely. Azon'ny olona rehetra moa ny manao fangatahana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana raha tsy manana kopia lava ny olona iray, ka afaka manantona ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany rehetra erak'i Madagasikara.

Menabe # Mitombo ny Ala Honko

Tafakatra 33 000 Ha ny velarana ahitana ala honko ao amin’ny faritra Menabe raha 30 000 Ha izany teo aloha. Nomena sehatra mantsy ireo vondron'olona ifotony (VOI) amin’ny fiarovana izany. Olona 130 avy amin’ny Fikambanana VOI miisa 43 no nisitraka fiofanana tamin’ny fanombohana ny fanamarihana ny “Andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny rohivoahary ala honko” tany Morondava, ny 24 jolay.
Tombony ho an’ny faritra koa ny fananana ny ala honko satria nahitana fitomboana ny teo amin'ny sehatry ny fizahantany. Anisan’ny ankafizin’ireo mpizahantany ny mandeha an-dakana mijery ny hakanton’ny ala honko.

Varotra # Fifanarahan'i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana

Voarafitra ny lisitr’ireo sehatra varo-draharaha ekena ho alalahana ho an’i Madagasikara. Izany dia ao anatin’ny fifanarahana ara-toekarena amin’ny Vondrona Eoropeana. Nisy moa ny atrik'asa fankatoavana ara-teknika farany tetsy Antaninarenina, ny talata 23 Jolay.
Midika ho fahombiazana hahafahantsika mitambatra hanatratra ireo fanamby sy fahavononana hampandroso ny firenentsika amin’ny alalan’ny varodraharaha izany. Marihina fa ankoatry ny fizahantany, ny fitaterana sy ny sehatra maro hafa dia anisan’ny ao anatin’ny varo-draharaha ny fahafahan’ireo mpiray tanindrazana miofana, mampiofana, misitraka asa amin’ny lafiny samihafa any ivelany.

Fifidianana Ben'ny Tanana # Mihemotra ny 11 desambra

Nangataka ny hanemorana ny datim-pifidianana ny lehiben'ny Governemanta. Noho izany indrindra, ny datin'ny 11 desambra no natolotry ny CENI. Miandry ny fanapahan-kevitry ny Governemanta vaovao nefa ny fandavana na ny fanekena izany daty izany. Mba hanajana ny fe-potoana amin'ny fikarakarana ny fifidianana, mila fantatra amin'ny 6 aogositra izany NY fandidian'ny Governemanta. Izany hoe mila tendrena mialoha izay 6 aogositra izay ireo minisitra vaovao.
Tsara ny manamarika fa efa tokony tamin'ny taona 2023 no nanatanterahana ny fifidianana Ben'ny Tanana, saingy ny fifidianana Filohampirenena ihany no tontosa.

Seranampiaramanidina # Ady amin'ny kolikoly eny Ivato

Fitakiana vola amin'ireo mpandeha, fanagiazana entana tsy ara-dalàna, fangalarana sy fanimbana entana : anisan'ny tranga naharaisana fitarainana ireo. Izany indrindra no nanatanterahan'ny Filohampirenena fidinana ifotony, narahina fikaonandoha, mba hiarovana ireo mpandeha, na teratany Malagasy na vahiny. Maro ireo fepetra noraisina, toy ny tsy maintsy ametrahan'ireo mpiasa rehetra ny "badge", entina hanamorana ny fametrahana fitarainana raha misy tranga tsy ara-drariny. Ampitomboina ihany koa ny "camera de surveillance" eny an-toerana. Tsy adino ny fampahatsiahivina ireo fifampifehezana, ho an'ireo mpiasa rehetra tsy an-kanavaka. Nisy sahady ny fanatsaharana tompon'andraikitra miisa 2 noho ny kolikoly.

Frantsa # Nihaona ny Filohampirenena Malagasy sy Frantsay

Ny alakamisy 25 jolay no nigadona tao Paris ny delegasiona Malagasy notarihan'ny Filohampirenena Andry Rajoelina. Nisy ny fihaonana manokana eo aminy sy ny Filoha frantsay Emmanuel MACRON ao amin'ny Lapam-panjakana Elysée ny zoma hariva. Anisan'ny antondiany ihany koa ny fanatrehana l ireo lanonam-panokafana ny lalao olympika 2024 izay nanasan’ny Filoha Macron ny tenany.
Tsara ny manamarika fa 23 ireo Delegasiona Malagasy fa tsy 93 araka ny tsaho niely tamin'ny tambazotran-tserasera.

Fadintseranana # Guide de passage en Douane

Namokatra "brochure" mitondra ny lohateny hoe "Guide de passage en Douane" ny Fadintseranana Malagasy. Zaraina maimaimpoana eny anivon'ny toerana maromaro izany : biraon'ny Fadintseranana, seranampiaramanidina Ivato, agences de voyage, grandes surfaces, sns.
Ny "Guide de passage en Douane" dia natao mba hanamorana ny fandalavonao eny amin’ny Fadintseranana rehefa hiditra na hivoaka an’i Madagasikara ianao. Hita ao amin'ilay bokikely ohatra ireo fepetra arahina rehefa hanao fanambarana na “déclaration en douane” sy rehefa hanefa ny haban-tseranana mifanaraka amin’izany, ireo lalàna mifehy ny fitondrana lelavola vahiny, ary ireo karazan’entana voarara ny fitondrana azy miditra sy mivoaka an’i Madagasikara. Tsy adino ireo teboka tsara ho fantatra rehetra momba ny famoahana sy fampidirana entana eto Madagasikara.

Festival Donabe # Naresaka tao Antsohihy

Ny 25 hatramin'ny 28 jolay lasa teo no nanatontosana ny Festival Donabe tao Antsohihy. Nisy fampisehoana niarahana tamin'ny mpanakanto maro isan-kariva : Dadi Love, Tence Mena, Lico Kininike, Docteur Love, Ceasar, Rootsman, sns. Tsy hira sy mozika ihany nefa no nanafanana ny hetsika fa teo ihany koa ny fanatanjahantena sy ny fifaninanana hatsarantarehy. Misitraka fitsangatsanganana any Maorisy moa ilay tovovavy nahazo ny satroboninahitra ka lany Miss Donabe 2024. Nafana ny tao Antsohihy, ary maro ireo avy amin'ny faritra manodidina no namonjy ny hetsika.

Lire la suite

Articles Similaires