• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Flickr
Image
Vaovao

Fampianarana : Hamoraina ny fampidirana mpianatra eny amin’ny Sekolim-panjakan

25/07/2024 14:39 © Moov

Maro ireo sekolim-panjakana no mametraka paik’ady vaovao hanamorana ny fampidirana mpianatra. Efa manomboka manomana izany fampidirana mpianatra izany tokoa moa izao ny Ray aman-dReny. Mba hampihenana ny fahasahiranana isan-karazany dia hamorain’ireo Sekolim-panjakana ny fomba fampidirana mpianatra, indrindra ny lafiny ara-bola.

Fifampitsinjovana

Mifanaraka amin’ny zava-misy amin’ireo Ray aman-dReny ny sekoly amin’ny fandoavana ireo vola mety ilaina. Marihina moa fa miova isaky ny kilasy hidiran’ny mpianatra ny vola aloha. Araka izany dia maro ireo fomba novaina mba hahafahan’ny Ray aman-dReny manefa izany antsakany sy andavany. « Afaka mandoa izany tsikelikely ny Ray aman-dReny arakaraka ny fifanarahana amin’ny sekoly. Hatao ao anatin’ny fifampitsinjovana izany satria maro amin’ireo hampianatra ny zanany ireo no sahirana amin’ny fidiram-bola », hoy ny Talen-tsekoly iray etsy Ambohimangakely. Marihina ihany koa moa fa efa maro ny sekolim-panjakana amin’izao fotoana izao no manana ny FEFFI, izay vondron’olona ifotony miaraka mitantana ny sekoly. Amin’ny ankapobeny, ireo tompon’andraikitra ireo ihany koa no mametraka ny fepetra amin’io fandoavana ny vola io noho izy ireo mahalala bebe kokoa ny zava-misy eny anivon’ny fiaraha-monina.

Mifindra eny amin’ny sekolim-panjakana

Vanim-potoana iray mampikaikaika ny Ray aman-dReny ny vanim-potoan’ny fidiran’ny mpianatra toy izao. Midangana hatrany ny vola lany vao afaka mianatra ny mpianatra iray, indrindra ireo eny amin’ny sekoly tsy miankina. Mety hahatratra hatramin’ny 300 000ariary isaky ny ankizy izany, miankina amin’ny kilasy hidirany. Maro amin’ireo sekoly ihany koa manko no mametra ireo fitaovana ho ampiasaina, jereny ao anatin’izany avokoa na ny isany na ny kalitaony. Izany rehetra izany no mahatonga ny Ray aman-dReny sasany voatery mamindra ny zanany eny amin’ny sekolim-panjakana. Raha ny fanazavan’ireo sekoly tsy miankina sasany dia 5% amin’ireo mpianany no efa nifindra tamin’ny sekolim-panjakana tamin’ny taom-pianarana farany teo. Miseho izany amin’ireo ambaratonga telo. Manazava izany kosa ireo Ray aman-dReny sasany noho ny fahasahiranana ara-bola. Eny amin’ny sekolim-panjakana rahateo ihany koa tsy mandoa saram-pianarana isam-bolana ka mbola mampihena ny fandaniana izany.

Lire la suite

Articles Similaires