• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dit
Image
Vaovao

Tambazotra Iraisan’Antananarivo : Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby

25/07/2024 09:16 © Moov

Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ato anatin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA) hoy ny orinasa JIRAMA ao amin’ny pejy facebook. Hihamafy izany ary samy haharitra adiny roa sy sasany isaky ny faritra isehoany. Nanome toky kosa izy ireo fa noezahina mba tsy hanelingelina ny fizotry ny fanadinam-panjakana Bakalorea izany.

Fitaterana solika mavesatra

Raha ny fanazavana avy amin’ny orinasa JIRAMA hatrany dia mbola olana eo amin’ny solika mavesatra hatrany no nandraisana ity fanapahan-kevitra ity. Misedra olana mikasika ny tsy fahampian’ny fiara be mpitatitra solika izy ireo. Tsy mahavaly ny filàn’ny famokarana herinaratra arak’izany ireo solika tonga ka tsy maintsy miroso amin’ny fifandimbiasan’ny fahatapahan’ny famatsiana. « Misedra olana amin’ny fitaterana ireo solika mavesatra avy any Toamasina ny mpiara-miombon’antoka amin’ny Orinasa JIRAMA ka tsy ampy ny famatsiana », hoy hatrany izy ireo ao amin’ny fanazavana. Araka izany dia hirosoana ny fahatapahan-jiro mifandimby. Ny antoandro eo anelanelan’ny amin’ny 2 Ora sy sasany ka hatramin’ny 5 Ora ary ny alina amin’ny 12 ka hatramin’ny 2 Ora sy sasany maraina sy amin’ny 2 ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 4 Ora maraina. Etsy andaniny dia manome toky ity orinasa ity fa efa mikaroka vahaolana mba hahafahana mamerina amin’ny laoniny ny famokarana sy ny famatsiana herinaratra.

Miverina foana

Miverina foana ity olan’ny famatsiana ity raha ny tamin’ity volana jolay ity manokana. Raha tsiahivina dia tany amin’ny fiandohan’ny volana tany no nanombohan’ny fahatapahan-jiro mifandimby. Nilaza ny avy ao amin’ny Orinasa JIRAMA tamin’izany fotoana izany fa ny tsy fahampian’ny solika mavesatra no olana. Nivaha io olana io ary nitohy tamin’ny fahasimban’ny fitaovana indray. Rehefa namboarina anefa izany dia miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby amin’izao fotoana io. Vahaolana maharitra no ilain’ny mponina. Ankoatra ny fahamaizinana izay mety hiteraka tsy fandriam-pahalemana. Maro amin’ireo fiharian’ny olona no mitondra faisana ihany koa ao anatin’izany. Mampanantena anefa ny orinasa JIRAMA fa mifandray tsy tapaka amin’io mpiara-miombon’antoka, mpitatitra io ny mpitantana ny Orinasa mba hanafainganany ny fitaterana ireo solika.

Lire la suite

Articles Similaires