• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aeroport International
Image
Vaovao

Kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina : Tomponandraikitra roa hanaovana fanadihadiana manokana

25/07/2024 07:47 © Moov.Mg

Taorian’ny fidinana ifotony izay nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ho fanatsarana ny fomba fiasa sy fandraisana olona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, dia nankatoavina teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo fanapahan-kevitra hiadiana amin’ny kolikoly eny an-toerana.

Lehiben’ny fampandehanan-draharaha

Hampiharina avy hatrany ireo fepetra hiadiana amin’ny kolikoly ireo, araka ny tapaky ny filàn-kevitry ny minisisitra notontosaina omaly 24 jolay 2024. Isan’ny maika indrindra ny fanendrena « Contrôleur général de l’aéroport », izay ho lehiben’ny fampandehanan-draharaha rehetra eny amin’ny seranam-piaramanidina. Tompon’andraikitra iray avy eo amin’ireo sampan-draharaha miasa eo anivon’ny seranam-piamanidina no hapetraka amin’izany toerana izany, fa tsy maharitra kosa, satria kendrena mba hiova isaky ny enim-bolana ny olona hitazona izany andraikitra izany. Isan’ny nivoitra sy nambaran’ny filoham-pirenena ihany koa, fa misy anarana tompon’andraikitra roa ao amin’ny seranam-piaramanidina, heno miverimberina matetika amin’ity resaka kolikoly ity, ka hanaovana fanadihadiana manokana izany. Hiato avy hatrany amin’ny asany aloha izy ireo ary horaisina ny fepetra, raha voamarina amin’ny fanadihadiana ny fitorohana azy ireo. Ankoatra izay dia voalaza fa hanaovana fitsirihana ireo tomponandraikitra eny amin’ny seranam-piaramanidina, izay mangeja tsy ara-drariny ny pasipaoron’ireo mpizahatany tonga eto Madagasikara.

Mametraka fitarainana

Etsy an-daniny, efa misy ny toerana azo ametrahana fitarainana, napetraka eny am-piaingana sy eny am-pahatongavan’ireo mpandeha, nanomboka ny 22 jolay lasa teo. Hisy ihany koa ny laharana maitso azo antsoina. Ho hatsaraina hatrany izany, hahafahan'ireo mpandeha manao fitarainana, mitoroka trangana kolikoly, na fanaparam-pahefana, eo anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ny laharana maitso 360 an'ny Fandintseranana rahateo dia azon’ny olon-drehetra antsoina maimam-poana. Notsindrian'ny Filohan'ny Repoblika, tao anatin’ny filàn-kevitry ny minisitra, fa ny fitarainana rehetra dia tsy maintsy omena valiny fa tsy azo avela ho very an-javona fotsiny, mba hanaporofoana fa misy marina ny fandraisana andraikitra, ary hahafahana manamarina raha mitombina na tsia ny fitorohana. Nandrisika ireo mpandeha tsy hatahotra ny manao fitarainana moa ny filoha, rehefa sendra ny tsy rariny, fa adidin’ny fitondram-panjakana, hoy izy, ny miaro izay manana ny rariny, na ny mpampiasa ny seranam-piaramanidina izany, na ny mpiasa ao aminy.

Lire la suite

Articles Similaires