• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Vaovao

Finoana Silamo : Mankalaza ny faha-50 taonany ny Fikambanan'ny Silamo Malagasy (F.S.M)

24/07/2024 16:36 © Moov

Hatramin’ny taona 1974 hatramin’ity 2024 ity no niorina ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy. Hankalaza ny faha-50 taonany izy ireo amin’ity taona ity ary efa nanomboka ny faran’ny herinandro teo izany. Marihina fa izy no reny mpiahy ny fikambanana Islamika rehetra eto Madagasikara raha ny fanambaran’izy ireo.

Fankalazana miavaka

Tsy kely izany 50 taona izany. Hiavaka araka izany ny fankalazana raha ny nambaran’ireo mpikambana. Hiaraka amin’ireo fikambanana silamo maro be manerana ny Nosy sy ireo Mosquée eto Antananarivo izy ireo ao anatin’izany. Ireo rehetra ireo izay hiezaka hatrany hitandro ny filaminana sy ny firaisankina ary ny fitambarana eo amin’ny samy Malagasy ary indrindra ireo mpino silamo. Nanamarika izy ireo fa homarihina mandritra ity fankalazana ity ny firaisan’ireo mpino silamo rehetra eto Madagasikara. « Iray tsy mivaky ny mpino silamo eto Madagasikara ary manaiky fa ny FSM no Reny mpiahy ny finoana Silamo sy ny fikambanana rehetra. Miantso ny mpiray tanindrazana mba hiray hina sy tsy ho tafalatsaka ao anatin’ny fizarazana ara-poko sy ara-pinoana ary ara-pihaviana », hoy ny Filohan’ny Ligin’ny manam-pahaizana silamo sady ao anatin’ny FSM. Homarihina ao anatin’ny fankalazana izany amin’ny alalan’ny fanohizana ireo asa sosialy rehetra efa nahazatra ny fikambanana ho an’ny fiaraha-monina.

Adidy sy andraikitra amin’ny fampandrosoana

Toy ireo malagasy rehetra ny mpino silamo dia manana adidy sy andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena. Mivoitra izany na eo amin’ny lafiny ara-toekarena, ara-politika ary ihany koa ara-tsosialy. Araka izany dia manana anjara asa izy ireo izay hotanterahiny ihany koa mandritra ity fankalazana ity. Raha ny fanazavan’izy ireo hatrany dia efa misy Silamo avokoa amin’izao fotoana izao manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara. Raha ny antontan’isa farany dia mandrafitra eo ho eo amin’ny 20% ny Malagasy amin’izao fotoana izao ny mpino Silamo. Efa manomboka mahazo vahana izy ireo ary efa mitombo hatrany ny isany.

Lire la suite

Articles Similaires