• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Présidence De La République De Madagascar
Image
Vaovao

Tetikasa PADARNE : Tsy maintsy hisy ny fikitihana ny trano na ny tany manodidina ny Rocade Iarivo

24/07/2024 16:01 © Moov

Nivorian’ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo sy ireo tompon’andraikitry ny tetikasa ny momba ny PADARNE, na ilay antsoina hoe « Drafitrasa an-tanàn-dehibe amin’ny antsipiriany amin'ny faritra manamorina ny lalana rocade Atsinanana sy Avaratra ». Nanambara ireo tompon’andraikitra fa tsy maintsy hisy ny fikitihana ny trano sy ny tany manodidina iny rocade iny. Manatanteraka ny fivoriana tsy ara-potoana ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo amin’izao ka tamin’izany no nandinihana ity tetikasa ity.

Hafindra ireo mponina

Raha ny fanazavan’ireo tompon’andraikitry ny tetikasa hatrany dia hisy ireo olona sasany mipetraka eny amin’iny toerana iny no hafindra toerana. Nanome toky anefa izy ireo fa efa vonona ny toerana handraisana ireo olona ireo. « Efa nodinihina ny hamindrana ireo mponina manodidina. Efa noeken’ny Kaominina Ambohimangakely io toerana io saingy miandry ny fankatoavan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Voamieran’ny tetikasa », hoy ny fanazavan’ireo mpitantana ny tetikasa. Raha tsiahivina dia efa ny taona 2021 no efa vita ny fifanarahana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ary aty amin’ny taona 2024 indray izany vao noresahina. Araka izany dia misy dingana lehibe tokony ho atao amin’ireo mponina ao anatin’izany. Tafiditra ao ohatra ny famerenana amin’ireo mponina indray ny fanatanterahana ny tetikasa. Ilaina izany mba hiomanan’izy ireo indray amin’ny zavatra mety hiandry azy. Isan’izany ity famindrana toerana azy ireo ity.

Fanatsarana ny renivohitra

Ny tetikasa PADARNE dia tetikasa an-tanàn-dehibe amin’ny fanamboarana ny Rocade Iarivo. Hamolavola amin’ny fomba voalamina sy voarindra ny faritra manodidina an’ity lalambe ity no tanjona amin’izany. Anisan’ny ho atsangana ao anatin’izany ny trano fialam-boly, foibe ara-barotra toy ny tsena, sampan-draharaha samihafa, espace verts sy ireo mpaompin-drano isan-karazany. Hatao ireo rehetra ireo mba hanatsara ny tanàn-dehibe sy hanapariahana ny toerana marobe mivangongo aty anatin’ny tanàna. Anisan’ny tanjona lehibe indrindra amin’izany ny ady amin’ny tondra-drano ka ahena ny isan’ireo fototra mety hanakana ny fivoahan’ny rano. Zava-dehibe ao anatin’ity tetikasa ity ihany koa ny fanamboarana lalana mampifandray ny rocade amin’ireo tanàna manodidina hahafahana miala amin’ny fitohanana lavareny. Amin’izao fotoana izao anefa dia mbola azo lazaina ho andrasana ny fe-potoana tena hanombohan’ny fanatanterahana ny tetikasa.

Lire la suite

Articles Similaires