• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bnlteh
Image
Vaovao

Ady amin’ny famarinana olona : Nomena fiofanana ireo Sefom-pokontany any Nosy Be Hell-Ville

24/07/2024 15:27 © Moov.Mg

Marihina isaky ny 30 jolay ny andro eran-tany hiadiana amin’ny famarinana olona. Ho an’i Madagasikara manokana dia any Nosy Be no hanatanterahana ny fanamarihana nasiônaly, amin’ity taona 2024 ity, ny 29-30-31 jolay.

Andro eran-tany

Ho fanomanana izany fanamarihana ny andro eran-tany hiadiana amin’ny famarinana olona izany, dia nomena fiofanana ireo Lehiben'ny Boriborintany sy ireo Sefom-pokontany avy amin'ny faritra mampiahiahy, na ahitana trangam-pamarinana olona, ao Nosy Be Hell Ville. Nampahafantarina azy ireo ny atao hoe : famarinana olona sy ireo singa izay mandrafitra izany, ary ny karazana endrika mety ho fisehoany, indrindra ao amin'ny faritra misy azy ireo tsirairay avy. Voafaritra ao anatin’ny atao hoe : famarinana olona moa ny « fanoratana, fitaterana, famindrana toerana, fampiantranoana, na fandraisana olona, amin’ny alàlan’ny fandrahonana na fampiasana hery na endrim-panerena hafa, amin’ny alalan’ny fakana an-keriny, hosoka, fitaka, fanamparam-pahefana na toe-javatra mora mampandaitra, na fanekena fandoavam-bola na tombon-tsoa mba hahazahoana ny fanekena avy amin’olona iray, izay manam-pahefana amin’olona iray hafa », araka ny voalazan’ny Fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fandratoana na famarinana olona sy ny fizahan-tany mamoafady.

Misoroka sy mandray andraikitra

Nampahafantarina ireo mpiofana ihany koa ny fomba atao hahafahana misoroka sy mandray andraikitra manoloana ny trangam-pamarinana olona. Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny birao nasiônaly miady amin’ny famarinana olona (BNLTEH) moa dia iray amin’ireo faritra any avaratr’i Madagasikara, ahitana betsaka trangana famarinana olona mankany ivelany, i Nosy Be, miaraka amin’Andapa, SAVA ary DIANA. Aorian'ny fampiofanana dia hidina ifotony eny anivon'ireo Fokontany mampiahiahy ireto Lehiben'ny Boriborintany sy ireo Sefom-pokontany ireto, hampahafantatra sy hanentana ny vahoaka iadidiany, ho fanamafisana ny ady atao amin'ny famarinana olona any an-toerana. Ny Prefen’i Nosy-Be Hell Ville, Tilahizandry Niaina Angelo, no nitarika izao fampiofanana izao, izay niarahana tamin'ny solon-tenan’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina ary ny ekipan’ny BNLTEH.

Lire la suite

Articles Similaires