• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Oms
Image
Vaovao

Ady amin’ny fifohana sigara : Mbola hatramin’ny 8 000 ny isan’ny malagasy maty isan-taona amin’ny fifohana sigara

24/07/2024 15:27 © Moov

Mbola ezaka mafy ny ady amin’ny fifohana sigara. Raha ny tatitry ny Ofisim-pirenena momba ny ady amin’ny sigara sy ny paraky (OFNALAT) dia mbola miisa hatramin’ny 8 300 isan-taona ny matin’ny fifohana sigara. Ny 300 amin’ireo dia ireo tsy mpifoka fa kosa mievoka ny setro-tsigara ety amin’ny sisiny. Nanatanteraka atrikasa, nanomboka omaly ny OFNALAT mba hanatsarana ny fomba fiasa amin’io ady io.

Ady amin’ny fivarotana antsokosoko

Efa manomboka miroborobo eo amin’ny tanora ihany koa amin’izao fotoana izao ny fifohana sigara. Raha ny fikarohana natao teny anivon’ireny sekoly, sokajy fahatelo ireny dia ny 9 % ny mpianatra no efa mifoka sigara dieny vao any. Anisan’ny mampiroborobo izany ny firongatry ny fivarotana antsokosoko. Iray amin’ireo teboka tsy maintsy resahina ao anatin’ny atrikasa ny ady amin’io fivarotana antsokosoko io. Tsara ny mampatsiahy fa efa nanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena amin’ny ady atao amin’ny fivarotana antsokosoko i Madagasikara ny taona 2017. Hatramin’izao anefa dia mbola marisarisa avokoa ny fampiharana ny lalàna. Mbola ady goavana izany. Raha ny tanjona eto Madagasikara, sy maneran-tany dia ny hanafoana ny fifohana sigara mihitsy, indrindra ho an’ny tanora.

Voka-dratsy avokoa

Nanamarika ny avy ao amin’ny OFNALAT fa mitondra takaitra ratsy ho an’ny fahasalaman’ny tanora sy ny ara-ekonomikan’ny Firenena ny fifohana sigara. « Raha vao manomboka any amin’ny Lycée ireo mpianatra no mifoka dia mety ho voan’ny homamiadana izy rehefa any amin’ny Oniversite. Tsy afaka ny hampidi-bola izy araka izany ka hanimba ny hoaviny sy ny firenena mihitsy », hoy ny fanazavana avy amin’ny Tale Jeneralin’ny OFNALAT. Ankoatra izany anefa dia anisan’ny singa iray mahatonga betsaka ny aretin’ny fo sy ny lalandrà, ny avokavoka ary ny diabeta ity fomba fiaina ity. Araka izany dia efa maro ireo fanentanana mba hialana amin’izany na mba tsy hahatonga amin’ny fiankinan-doha amin’io aretina io. Marihina fa efa manatona ny fanekena hanafoana ny singa manimba ao anatin’ny sigara isika eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires