• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fambolena : Nohamafisina tamin’ny alalan’ny fampiasana angidim-by ny ady amin’ny andiam-balala

23/07/2024 15:26 © Moov

Manamafy ny ady amin’ny famongorana valala ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana miaraka amin’ny Ivon-toerana famongorana ny valala (IFVM) ary ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena (MDN). Tany mirefy hatramin’ny 2 800 ha no nanatanterahana ny asa tamin’izany tao anatin’ny folo andro.

Tamin’ny alalan’ny angidim-by sy am-babena

Fitaovana samihafa no nahetsika tamin’ity indray mandeha ity. Ny tohana avy amin’ny tetikasa DEFIS, vatsian'ny FIDA vola, no nahafahana nanetsika ny angidim-by an’ny tafika. Nahavita namono valala tamin’ny velaran-tany mirefy 2 150 hektara tao amin’ny faritra Menabe, Matsiatra Ambony, Amoron'i Mania, Ihorombe ary Atsimo Andrefana hatramin’ny 16 jolay 2024 izany asa izany. Etsy andaniny, nandritra izany, ny ekipa mpamono an-tanety ao amin’ny IFVM dia nanao famonoana an’ireo valala tamin’ny velaran-tany mirefy 640 hektara. Nampiasana fitaovam-pamonoana valala baben’olombelona sy nentina fiara tsy mataho-dalana izany. Tany amin’ny faritra Menabe, Ihorombe ary Atsimo Andrefana kosa no nanatanterahana ity asa faharoa ity. Manohy hatrany ny ady ary mandray ny andraikitra amin’ny fisorohana sy fiarovana ny firongatry ny valala ny MINAE, amin’ny alalan’ny IFVM. Izany no natao mba hiantohana ny fiahiana ara-tsakafo eto amin’ny firenena.

Paik’ady vaovao

Mamolavola paik’ady hahafahana manafoana ny fiverimberenan’ny valala eto amintsika ny Ministera amin’izao fotoana izao. « Ao anatin’ny famolavolana ny programan’asa quadriennale ny Ministera amin’izao fotoana izao. Araka izany, afaka 3 na 4 taona dia tsy tokony hiverina intsony ny andiam-balala », hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Suzelin Ratohiarijaona, Hotanterahina amin’ny alalan’ny fanovana fomba fiasa sy fanatsarana ny rafitra misy izany. Misy ny lesoka mila arenina ao amin’ny IFVM ary misy ihany koa ny fanatsarana eo amin’ny fomba fiasa. Ao anatin’izany ohatra ny tanjona ny tsy hampiasa « pesticide » intsony. Tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana izany. Mandeha tsikelikely kosa ny fanatanterahana izany rehetra izany, hoy hatrany ny Ministera.
Raha tsiahivina, nanomboka ny oktobra 2023 dia efa tany mirefy 31 495 hektara no nanaovana famonoam-balala. Mirefy 2 140 hektara tamin’izany dia natao famonoana an’habakabaka ary 29 355 hektara kosa famonoana an-tanety. Marihina moa fa ity hetsika ity dia fandresena goavana ho an’ny fiarovana ara-tsakafo sy ny toekarena malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires