• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Raharaha Miah Raveloson : Miakatra fampanoavana androany ny sakaizany, ahiana ho namono azy

23/07/2024 15:24 © Moov.Mg

Androany 23 jolay 2024 no miakatra fampanoavana ny lehilahy iray ahiana ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’i Miah Raveloson, ilay tovovavy mpilalao « échec », maty nodomin’ny fiara teny Nanisana, ny 17 jolay lasa teo.

Nitoe-jaza

Raha ny fanadihadiana nataon’ny polisy, taorian’iny tranga iny, dia heverina fa ny sakaizany ihany no nandona an’i Miah tamin’ny fiara, izay nitarika ny fahafatesany. Araka ny fanadihadiana hatrany dia nifanao fotoana hihazakazaka maraina izy roa, tamin’io andron'ny 17 jolay 2024 io. Nilaza ny tsy handeha indray anefa ity tovolahy ity, rehefa tonga ny fotoana nifanomezana. Heverina fa nitondra fiara izy ary ninia nandona ilay tovovavy, izay maty tsy tra-drano. Ny valin’ny fanadihadiana rehetra no tena hahalalana ny marina momba ity raharaha ity, fa raha ny vokatry ny fikarohana nambaran’ny pôlisy, hatreto, dia nitoe-jaza i Miah Raveloson. Voalaza fa tsy nanaiky hanala ilay zaza izy, ka heverina fa izay no isan’ny antony mety ho nahatonga ity tovolahy ity hahavanon-doza tahaka izao.

Hitan’ny « caméra de surveillance »

Nahatonga ny mpanao fanadihadiana hampitodika ny ahiahy tany amin’ilay sakaizany, araka ny nambaran’ny polisim-pirenena hatrany, ny tsy fanatrehan’ilay tovolahy ny razana teny am-bohitra. Voasambotry ny Polisin'ny BC2 tao an-tranon'ny ray aman-dreniny teny Analamahitsy izy, ny alahady 21 jolay lasa teo, ary izao miakatra fampanoavana izao. Hita tamin’ny « caméra de surveillance » teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ihany koa moa ny zava-niseho rehetra, ka nahatonga ny mpitandro ny filaminana nanokatra ny fanadihadiana.

Lire la suite

Articles Similaires