• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fanatsarana ny fitaterana : Manaraka fiofanana ireo mpanadina ho an’ny taratasy fazahoan-dalana hamily

23/07/2024 12:45 © Moov

Manaraka fiofanana mandritra ny roa herinandro ao amin’ny ivom-pampiofanana « Institut National de l’Infrastructure ININFRA ireo mpanadina ho an’ny taratasy fazahoan-dalana hamily, na ireo « examinateurs de permis de conduire ». Tanjona amin’izany ny fanatsarana ny adidy masina nampiandraiketina azy ireo.

Fifamoivozana hieren-doza

Tanjona hiraisan’ny rehetra, mpampiasa lalana sy ireo Tompon’andraikitra rehetra momba izany ny fifamoivoizana hieren-doza. Mandray anjara lehibe amin’izany sy ny fiarovana ny olona amin’ny fampiasana ny lalana ny mpanadina ho an’ny taratasy fahazoan-dalana hamily ka anton’izao fampiofanana izao. Dingana faharoa amin’ny fisitrahana taratasy fahazoan-dalana hamily fiara manko ny fanaovana fanadinana mifandraika amin'izany. Tanterahana izany rehefa avy nianatra namily fiara teny anivon’ny toerana fianarana natokana ho an'izany ny olom-pirenena iray. Ho an'ny eto Analamanga, eny amin'ny " Petite Vitesse" Soarano no toerana voatondro hanaovana ny fanadinana momba ny lalàn'ny fifamoivoizana sy familiana fiara. Araka izany, mba hampanaraham-penitra ity fanadinana ity dia omena ireto fampiofanana ireto ireo mpanadina. Marihina ihany koa fa hisy ny fanadinana aorian’ny fiofanana. Ireo mpanadina mahazo salan'isa mihoatra ny voatondro no hiroso amin’ny fianianana eo anivon’ny fitsarana.

Efa hatramin’ny taona 1990

Araka ny efa voalaza dia etsy amin’ny ivom-pampiofanana « Institut National de l’Infrastructure ININFRA », etsy Alarobia, izay rantsamangaikan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, no anatanterahana ny fiofanana. Raha tsiahivina, nanomboka ny taona 1990 ny ININFRA no nampiofana sy namoaka mpanadina ho an’ny taratasy fazahoan-dalana hamily. Mbola nametraka ny fitokisana taminy ny Minisitera misahana ny Fitaterana tamin’ity andiany vaovao ity. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana, omaly, ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro sy ny Talen'ny Kabinetran'ny Minisitry ny Asa Vaventy, ny Tale Jeneralin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, ary ny Tale Jeneralin’ny ININFRA. Anisan’ny fangatahan’ireo mpiadina amin’ny familiana ihany koa amin’izao fotoana izao ny ady amin’ny kolikoly miodina ao anatin’io fanadinam-panjakana io.

Lire la suite

Articles Similaires