• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Carnets Madagascar
Image
Vaovao

Anjozorobe : Iray ihany no tafaverina velona tamin’ireo olona roa nalain’ny jiolahy ankeriny

23/07/2024 10:57 © Moov

Miverina mahazo vahana indray ny tranga fakana ankeriny ao Anjozorobe. Ny farany teo dia lehilahy roa indray no nalain’ireo jiolahy ankeriny tao Manakana, distrikan'i Tsaratanàna, toerana mifanakaiky amin'ny Faritra Analamanga sy Betsiboka. Na dia efa nandoa vola 16 tapitrisa ariary aza izy ireo dia mbola novonoin’ireo jiolahy ihany ny iray tamin’ireo takalon’aina. Naratra mafy kosa ny iray izay efa nentina notsaboina aty Antananarivo.

Jiolahy miakatra an-tanàna

Mihorohoro fatratra ireo mponina ao Anjozorobe sy ny manodidina amin’izao satria dia mahavita miakatra ana-tanàna mihitsy ireo jiolahy. Raha tsiahivina dia niditra tao amin’ny tanànan’ny Manakana ireo jiolahy ny faran’ny volana jona lasa teo. Tamin’izany no nitondrany ireo lehilahy roa hatao takalon’aina. Lehilahy lehibe efa ho 60 taona ny iray amin’ireo ; ity farany ity izay tsaboina aty Antananarivo amin’izao fotoana izao. Raha ny fanazavana avy amin’ireo fianakaviana izay niharan’ny loza dia tsy vitan’ny maka an-keriny fotsiny ihany ireto jiolahy fa mamono sy mandratra ihany koa. Nandritra io fotoana niakarany ny tanàna io manko dia nisy olona hafa naratra ihany koa saingy efa notsaboina. Efa tsy matahotra intsony mihitsy ireto jiolahy mpaka ankeriny ao Anjozorobe ireto amin’izao fotoana izao. Raha ny fanazavana hatramin’izay dia fomba iray hangalana vola amin’ireo fianakaviana hatrany no anton’izany fakana ankeriny izany.

Manahy ny amin’ny fiverenan’ireo jiolahy

Manana ahiahy ny amin’ny mety hiverenan’ireo jiolahy ihany koa ireo fianakaviana amin’izao fotoana izao. « Matahoatra foana izahay isan’andro satria hoe efa noratraina, noheverina ho faty kanefa mbola notsaboina ny havanay izay mety mahafantatra ny misy azy ireo. Maro ny antony mety mbola hiverenany eo aminay indray araka izany », hoy ny fanazavana avy amin’ireo fianakaviana. Araka izany, mandry tsy lavo loha isan’andro ireo mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao. Raha ny voalazan’izy ireo dia mbola mitsabo ity lehilahy efa lehibe ity izy ireo amin’izao ary mangataka hatrany ny fandraisana andraikitry ny Fitondram-panjakana. Raha tsiahivina dia tsy ireto mponina ao Manakana ireto irery ihany no miaina toe-javatra tahaka izany fa ireo mponina manodidina an’Anjozorobe maro samihafa.
Raha ny tatitra avy amin’ny Zandarimariam-pirenena dia olona efatra amin’izao fotoana izao no efa nosamborina ary olona roa hafa no mbola karohina, mikasika ity tranga ity.

Lire la suite

Articles Similaires