• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unfpa Madagascar
Image
Vaovao

Fiomanana amin’ny loza voajanahary : Nahazo fitaovana ara-informatika avy amin’ny UNFPA ny BNGRC

23/07/2024 09:40 © Moov

Mbola anisan’ny firenena marefo amin’ny loza voajanahary toy ny rivo-doza sy ny tondra-drano i Madagasikara. Fomba iray hahafahana miatrika izany dieny mialoha ny fananana fitaovana hahafahana mitily sy mizara ny vaovao amin’ny fotoana rehetra. Araka izany dia nisitraka fitaovana ara-informatika vaovao avy amin’ny UNFPA ny BNGRC, izay natolotra omaly.

Tsy manana ivon-toerana fikirakirana teknolojia

Nanamarika ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, omaly, fa mbola tsy manana ity ivon-toerana hikirakirana ny teknolojia ity izy ireo. Araka izany dia napetraka ao amin’ny sampan-draharahan’ny serasera ireo fitaovana. Tao anatin’izany ny solosaina, finday avo lenta sy ireo fitaovam-pifandraisana isan-karazany. Ho ampiasaina indrindra izany hitiliana mialoha sy hampahafantarana ny vaovao momba ny loza voajanahary mety hiseho. « Tsy maintsy miaro tena dieny mialoha isika eto Madagasikara satria mbola marefo amin’ny loza voajanahary. Hanampy betsaka antsika ity hanamora ny fikirakirana ny antontan’isa sy ny serasera rehetra mialoha, mandritra ary aorian’ny fandalovan’ny rivo-doza », hoy ny fanazavan’ny Jeneraly Elack Olivier Andriakaja, Tale Jeneralin’ny BNGRC. Tsara ny manamarika fa fitaovana efa manaraka ny fivoarana amin’izao fotoana izao izy io ka afaka ny hanampy ny firenena hanatratra ny tanjona. Nanamafy izany ihany koa ny solontena maharitry ny UNFPA eto Madagasikara, Josiane Yaguibou. Zava-dehibe ireto fampitaovana hoy ny tenany satria firenena Afrikanina mbola isan’ny marefo amin’ny fiatrehana ny rivodoza i Madagasikara. Izany no antony nandrisika ny UNFPA hanampy ny BNGRC amin’ny fiatrehana ny loza.

Efa miomana sahady amin’ny fiatrehana ny fahavaratra

Tafiditra ao anatin’ny asa fiomanana sahady amin’ny fiatrehana ny loza mety hiseho rehetra ny fizàrana mampiasa ireto fitaovana ireto. Nanambara ny avy ao amin’ny BNGRC fa efa miomana sahady amin’ny fiatrehana ny fahavaratra izy ireo. « Vao tapitra ny fotoam-pahavaratra dia efa miomana sahady amin’ny fahavaratra manaraka izahay isan-taona. Ilaina izany mba hahafahana mampihena araka izay tratra ny mety ho takaitrany », hoy hatrany ny fanazavan’ny Tale Jeneraly. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fametrahana ity ivon-toerana fikirakirana teknolojia ity. Manana vina ny hametraka izany ny BNGRC saingy mbola tsy nanome fe-potoana kosa anefa.

Lire la suite

Articles Similaires