• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us Embassy Madagascar
Image
Vaovao

Programme YALI : Miisa 13 indray ireo tanora malagasy voafantina hiofana any Afrika Atsimo

17/06/2024 13:08 © Moov

Manana mpisolo tena ny tanora indray ny Malagasy ao anatin’ny fandaharan’asa « Young African Leaders Initiative » na ny « programme YALI ». Miisa 13 indray ireto malagasy ireto no hanaraka fiofanana mandritra ny telo herinandro any Afrika Atsimo. Efa andiany faha 24 izao hatao izao ary efa nanana mpisolotena hatrany i Madagasikara hatramin’izay.

Hanampy ny fiaraha-monina

Natao indrindra ho an’ny tanora 18 hatramin’ny 35 taona ity fandaharan’asan’ny firenena mikambana ity. Ny tanjon’izany dia ny mba ahafahan’izy ireo manampy bebe kokoa ny fiaraha-monina sy ny firenena niaviany avy. Tanora voafantina manokana ary nahavita fiofanana ampitain-davitra nandritra ny roa herinandro izy ireo. Amin’ny ankapobeny ny fampiofanana izay omena azy ireo dia hanampy azy ihany koa amin’ny famelabelarana ny tetikasany sy ny fampitomboana ny fahaizan’izy ireo. Mizotra amin’ny endriny ampitain-davitra sy atrehina mivantana izany fampiofanana mandritra ny telo herinandro izany.

Tambazotra lehibe

Raha ho an’ny YALI Madagascar manokana dia ny hametraka tambajotra tena izy ho an'ny tanora mpitarika, mpandraharaha, mpamorona, mpikatroka ary mpitarika amin'ny fitantanana ny harenam-panjakana no tanjon’izy ireo. Ireto tanora ireto rehefa avy miofana dia hiditra avy hatrany ao anatin’ny maintimolalin’ny programa YALI eto Madagasikara. Hisitraka endrika fanohanana toy ny famatsiam-bola tetikasa, ny fiarahamiasa sy fifanakalozana traikefa, loharanom-pahalalana maro samihafa izy ireo ao anatin’izany. Amin’ny alalan’ireo mpikambana ao aminy no hananganana tontolo iray hifampizarana fahaiza-manao sy traikefa.

Sehatra telo lehibe

Mizara ho programa 3 lehibe ny YALI ao anatin’io fiofana io. Ao anatin’izany ny Mandela Washington Fellowship izay programa 6 herinandro any Etazonia ary fampiofanana ho fampandrosoana ny tena manokana sy amin’ny lafiny matihanina. Ao ihany koa ny YALI Regional izay fandaharam-potoana 4 herinandro na mihoatra any amin'ny foibem-paritra any Sénégal, Kenya, Afrika Atsimo ary Ghana ary any Nizeria. Ireto foibem-paritra ireto dia toerana iray ho an'ny fiaraha-miasa isam-paritra amin'ny fifampitana fahaizana. Tafiditra ao ihany koa ny tambajotra YALI izay sehatra manolotra fiofanana maimaim-poana mba hampivelarana ny fahaiza-mitarika an’ny tanora. Manome fahafahana ho an'ny mpikambana hanamafy ny fifandraisana amin’ireo mpikambana hafa.

Lire la suite

Articles Similaires