• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mbc
Image
Vaovao

“Ode ry Gasikarako” : Tafatafa sy hetsika maro, ho an’ny tontolo iainana

30/05/2024 13:17 © Moov.Mg

Ny 31 mey sy ny 1 jona no hanatanterahana ny fanamarihana nasiônaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny karazanjavamananaina, ho an’i Madagasikara. Mifanindrandalana amin’izany ny tafasiry ho an'ny tontolo iainana sy ny karazanjavamananaina, hatao eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina.

Mpisehatra marolafy

Ny sabotsy 1 jona izao no hanatontosana ity hetsika ara-tontolo iainana antsoina hoe : “Ode ry Gasikarako” ity, eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, hiarahana amin’ny Malagasy Brand Communication. Tafatafa, fifampizarana sy fifanakalozana eo amin’ireo mpisehatra marolafy no hatao mandritra izany, ahitana ny fandraisan’anjaran’ireo mpisehatra ara-tontolo iainana isan-karazany, toy ny Dr. Baomiavotse Vahinala Raharinirina, minisitry ny tontolo iainana teo aloha ; ny Dr Randianina Radilofe, Mpikaroka mahakasika ny lalàna ao amin'ny ivon-toeram-pikarohana nasiônaly momba ny tontolo Iainana Sandratr'Hay ; Lalarisoa Rakotoarimino, Mpandrindra ny tetikasa VARUNA Science de la biodiversité, Riamaholy Haridina Andriandrantoson, Mpanao gazety ara-tontolo iaianana ; ary ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina.

Fankalazana ôfisialy

Andiany faharoa ny hetsika “Ode ry Gasikarako” amin’ity taona ity, izay miompana amin’ny tontolo iainana sy ny kolontsaina. Ankoatra ny adihevitra sy famelabelaran-kevitra, dia ho hita mandritra ireo roa andro hanatanterahana ny hetsika ihany koa ny atrikasa sy ny fampirantiana. Rahampitso 31 mey 2024 kosa no hanatontosana ny fankalazana ôfisialy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny karazanjavamananaina. Any Mandraka, ao amin’ny Saha Maintsoanala no hanamarihana izany, manomboka amin’ny 10 ora maraina. « Miasa miaraka ho an’ny karazanjavamananaina », no lohahevitry ny fankalazana amin’ity taona ity, izay tarihin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.

Lire la suite

Articles Similaires