• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gouvernorat Boeny
Image
Vaovao

Championnat National Paralympique : Hotanterahina any Mahajanga ny 06 hatramin’ny 10 Aogositra

24/05/2024 16:34 © Moov

Hotanterahina any Mahajanga ny 06 hatramin’ny 10 Aogositra ny Championnat National Paralympique. Tonga tany an-toerana ny delegasion’ny Coopérative des Organisations des Personnes Handicapées (COPH) sy ny Solotenan’ny Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina nampahafantatra ny vaovao ny 23 May lasa teo.

Mpilalao miisa 500

Miisa 500 eo ireo olona hampiantranona any an-toerana raha ny fanambaran’ny Governoran’ny faritra Boeny. Ireo olona manana fahasembanana rehetra manerana ny Nosy no handray anjara amin’izany lalao izany. Voalohany ho an’ny tanànan’ny Mahajanga sy ity lalao ity no horaisina ao an-toerana izany. Efa miomana amin’ny foto-drafitr’asa rehetra sy ny fomba fandraisana ireto vahiny maro be ireto araka izany ny tanàna. Hizara roa mazava tsara ny hetsika mandritra ity fotoana ity. Ny tontolo andro dia afaka hanatanteraka ny lalao ara-panatanjahantena rehetra ny mpilalao. Ny ariva kosa dia afaka hisitraka ireo hetsika ara-kolontsaina isan-karazany. Ireto olona manana fahasembanana ireto izay samy manana ny maha-izy azy avy fa izay indrindra no ho ampitomboana sy ho ampahafantarina ny olona rehetra. Tsara ny mampatsiahy fa efa manana atleta mandray anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena isika. Anisan’izany ilay mpiazakazaka manana olana ara-pahitana Aurélie Faravavy farany teo.

« Festival Samy tsy manaiky » andiany faha-10

Mifanindra-dalana amin’io hetsika io dia hotanterahina mandritra io daty io ihany koa ny « festival samy tsy manaiky » andiany faha-10. Io « festival » io dia hetsika ara-kolontsaina niainga avy any amin’ny faritra Boeny hoy ny Mpandrindram-paritry ny COPH satria nahatsapa izy ireo fa misy ireo namana sembana tsy mahafantatra akory ny zony. Araka izany, ny tanjona amin’ity moa dia ny hampiroborobo ny fahefan’izy ireo sy ny fahaizany tsirairay. Ny COPH, hoy hatrany izy ireo no namorona azy, ary eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina ny hetsika. Marihina moa fa mitovy ny tanjon’ireto hetsika roa ireto. Samy hanome vahana ireo olona manana fahasembanana avokoa ireo hetsika ireo.

Lire la suite

Articles Similaires