• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Fiarovana ny mpifindra monina : Manaraka fiofanana ny mpiasan’ny BNGRC

24/05/2024 16:24 © Moov

Manaraka fiofanana momba ny fitantanana ny toerana handraisana ireo mpifindra monina ny mpiasa maro avy ao amin’ny Birao Nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza na ny BNGRC. Maharitra 10 andro eny amin'ny Hotely Aviavy Andakana ny fampiofanana.

Fampitomboana fahaiza-manao

Tsy mbola ny ady antrano na « Guerre Civile » toa ny ankamaroan'ireo firenena any Afrika hatreto no antony mampisy ny mpifindra monina eto Madagasikara. Ny fisiana lomoza na tandindondoza mety manimba ny fonenany sy ny tontolo manodidina azy, eo ihany koa ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro no mahatonga izany raha ny eto Madagasikara. Ilaina faharanitan-tsaina sy fahaiza-manao nefa ny fitantanana ireny sites na toerana hahafahana mandray azy ireo ireny mba ho toerana maha # te honina na dia fifindrana anatin'ny fotoana fohy ihany aza ny tsy maintsy handalovan'ireny olona ireny. Araka izany dia manam-pahaizana iraisam-pirenena momba ny fifindra-monina no mampiofana. Miditra amin'ny votoatin'ny fitantantanana sites amin'ny fotoan-tsarotra ho an'ireo mpifindra monina na voatery mifindra monina noho ny antony tsy miankina aminy ny votoatin’izany fiofanana izany. Marihina fa ny « Organisation Internationale pour les Migrations » (OIM) no tompon'antoka amin'ny fampandehanana ny fiofanana raha ny Japoney no mamatsy vola.

Mpamonjy voina maro

Misa 40 eo ho eo ny mpiofana tamin’ity indray mitoraka ity. Ankoatra ny ekipan'ny BNGRC dia manana solontena ao ihany koa ireo manana andraikitra amin'ny fitantanana ny loza sy tandindondoza eto amintsika. Tafiditra ao anatin’izany ny Vokovoko mena sy ny tafika malagasy ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo hafa nahazo fanasana. Ho an'ny OIM dia fanomezan-tanana ny fanjakana mba hampitombo ny fananana olona mahafehy izany sahady izao hetsika izao. Fanatsarana sy fanampiana ny traikefan'ny mpiasa amin'ny fifehezany ny asa ataony kosa ho an'ny BNGRC. Marihina moa fa efa manomboka maro amin’izao fotoana izao ireo olona mifindra monina eto Madagasikara. Ireo avy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy iny no tena betsaka amin’izany. Ilaina manampahaizana maro ny fandraisana azy ireny mba hampilamina ny diany sy ny fiainany mandritra ny fivahinianany.

Lire la suite

Articles Similaires