• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Telma
Image
Vaovao

Telma Coupe de Madagascar : Notanterahina androany ny ankitsapaka ho an’ireo ekipa hifanandrina amin’ny ampahefa-dalana

23/05/2024 16:52 © Moov

Notanterahina androany tao amin’ny Campus Telma Andraharo ny ankitsapaka amin’ny ampahefa-dalana amin’ny lalao baolina kitra Telma Coupe de Madagascar, izay hiarahana miasa amin’ny Federasiona Malagasy ny Baolina kitra na ny (FMF). Klioba miisa 8 no handray anjara amin’izany ka lalao miisa 4 no hifanandrinan’izy ireo. Heverina ho ny 2 jona izao no hotanterahina ity lalao ampahefa-dalana ity.

Klioba miisa 8

Ekipa avy amina klioba miisa 8 no handray anjara amin’ity lalao ity. Tsara ho marihina fa efa ela no nanomboka ny fifanintsanana ary izao izy efa tonga amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana izao. Rehefa vita ny ankitsapaka dia tapaka tamin’izay fa ny ekipan’ny Elgeco plus no hampiantrano ny Ajesaia. Manaraka azy eo ny USCAFOOT hifanandrina amin’ny Inate FC Rouge. Ao amin’ny fahatelo no ahitana ny Disciples FC hampiantrano ny Fosa Junior FC ary ny ekipan’ny CFFA kosa no hifanandrina amin’ny Zanakala FC. Taorian’io ankitsapaka io dia tapaka fa ny ekipa izay voasintona voalohany no hampiantrano ny lalao, araka ny fepetra avy amin’ny FMF. Araka izany, raha tsy misy ny fiovana dia eto Antananarivo avokoa no hanatanterahana ireo lalao amin’ny ampahefa-dalana rehetra ireo.

Faran’ny volana jona

Vinavinaina ho tapitra tanteraka ny faran’ny volana jona izao ity lalao Telma Coupe de Madagascar ity raha any ho any amin’ny tapaka ny volana any ny manasa-dalana. Araka izany dia manana fotoana malalaka tsara ireo klioba tsirairay amin’ny fanomanana ny ekipany. Etsy andaniny moa ny orinasa Telma dia manohana hatrany ny fanatanjahantena indrindra fa ny baolina kitra ary vonona hatrany amin’ny fampiroboroboana ity sehatra ity. Izany indrindra no antom-pisian’ny lalao izay fotoana iray hahafahana mikaroka ireo mpilalao mana-talenta malagasy. Ny avy ao amin’ny FMF moa dia nanamafy mazava fa manana ho avy tsara ny baolina kitra malagasy raha ny vokatra azo tamin’ireo lalao fifanintsanana efa nandeha teo aloha no jerena. Manana mpanatalenta maro isika hoy hatrany ny Tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny FMF. Fotoana manan-danja amin’ny baolina kitra ity lalao Telma Coupe de Madagascar ity araka izany.

Lire la suite

Articles Similaires