• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dgsr
Image
Vaovao

Fisorohana lozam-pifamoivoizana : Hanome fampiofanana ny mpitondra kodiarandroa sy mpamily fiara vaventy ny DGSR

23/05/2024 16:14 © Moov

Manomana fampiofanana ho an'ireo mpitondra kodiaran-droa eto Antananarivo sy ireo mpamily fiara vaventy eny amin'ny RN2 ny DGSR. Ny tanjona amin’izany moa dia ny mba hampihenana ny lozam-pifamoivoizana na an-tanàn-dehibe na ireo eny amin’ny lalam-pirenena. Fepetra noraisina taorian’ireny fetin’ny pantekôty ireny ity hampiharina ity.

Fitondran-tena sy lalàna

Ny 90 % amin’ny lozam-pofamoivoizana eto Antananarivo sy eny amin’iny lalam-pirenena faharoa iny dia avy amin’ny tsy fahaizan’ireo mpamily kodiarandroa sy mpamily fiara vaventy avokoa, raha ny tatitra avy amin’ny Sampan-draharaha misahana ny aro lozan’ny fifamoivoizana (DGSR). Araka izany dia ireny olona rehetra no ho ampianarina voalohany mba hahaizany mampiasa ny lalana sy hisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Mizara roa mazava tsara ny fampiofanana. Voalohany dia ny fampianarana ireo mpampiasa lalana ireo ny mahakasika ny lalàn’ny fifamoivoizana satria anisan’ny singa iray miteraka betsaka ny lozam-pifamoivoizana ny tsy fanajana io lalàna io. Manaraka izany ny famerenana ao an-tsain’izy ireo ny fitondran-tena tsara tokony ilainy rehefa eny amin’ny lalana eny. Indrindra fa ireo mpampiasa lalam-pirenena. Ireo mpampiasa kodiaran-droa dia horesihana manokana momba ny fanajana ny olona mpampiasa lalana hafa sy ny mahazavadehibe ny aro loha sy ny fiarovana.

Ampianarina ihany koa ireo « taxi-moto »

Tafiditra ao anatin’ny mpamily kodiarandroa ihany koa ny mpitondra « taxi-moto ». Rehefa vita ny momba ny fandraisana ireo mpamily tsotra dia ho raisina manokana ihany koa ireo mpamily « taxi-moto » ary hampiofanina, hoy hatrany ny avy ao amin’ny DGSR. « Tsara ho marihina fa nisy fanomanana nataonay ary hohamafisina manokana ny mikasika ny kodiarandroa mba hahay hanaja ny lalàna sy hahay hitondra tena eny amin’ny lalana, ary hojerena manokana ny taxi moto izay mitondra ain’olona hafa mbola tsy fantany mihitsy », hoy ny Jeneraly Reribake Jeannot, Tale Jeneralin’ny DGSR. Izany rehetra izany moa dia ezaka natao mba hisorohana sy hampihenana mialoha ny lozam-pifamoivoizana. Etsy andaniny, mitohy hatrany ny fanentanana isaky ny faran’ny herinandro sy ny fanaraha-maso ny tahan’ny alikaola.

Lire la suite

Articles Similaires