• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tpm
Image
Vaovao

Fampiroboroboana ny mangarahara : Hatsaraina ny fandraisana ireo mpila raharaha eny amin’ny Tahirimbolam-panjakana

23/05/2024 16:05 © Moov

Te hampanjaka ny fangaraharana eny anivon’ny Tahirimbolam-panjakana ity rafi-panjakana iray ity. Izay indrindra no antony nanosika ny sampandraharaha misahana ny serasera eto amin'ny Tahirimbolam-panjakana (SCRP) nidina ifotony nitafa tamin'ireo ratsamangaikan'ny Tahirimbolam-panjakana. Ny teo anivon’ny Perception Brickaville sy ny Trésorerie Générale Toamasina no nisantatra izany.

Hanomezam-baovao ara-potoana

Ny mba hanome vaovao araka ny tokony ho izy mikasika ny asa mandeha sy ny asa mbola ho avy ary ny zava-misy eo amin’ny Tahirimbolam-panjakana ny tanjon’ity hetsika ity. Ireo ekipan’ny serasera avy amin’ny Tahirimbolam-panjakana foibe no nijery ny serasera misy eny anivon’ny sampana rehetra. Izany no natao moa dia mba hanamafisana io asa fanolorana vaovao io mba hisian’ny mangarahara amin’ity rafi-panjakana lehibe ity. Hahazo tombony amin’izany avokoa moa na ny mpiasa ao anatin’ny toerana na ireo mpila raharaha eny an-teorana. Tafiditra ao anatin'ny vina izay apetraky ny Tahirimbolam-panjakana ny fanatsarana ny mangarahara sy ny fandraisana ireo mpisitraka rehetra ao aminy ity asa hataon’izy ireo amin’izao fotoana ity izao. Ankoatra ny fanomezana vaovao dia mitana anjara toerana lehibe hanoro hevitra ny olona amin’ny fepetra arahina rehetra ihany koa ny rafitra serasera ka izay no antony hanatsarana izany.

Hanovana fomba fandraisana olona

Mampitaraina sy mampatahotra olona hatrany ny midittra anaty biraom-panjakana. Anisan’ny mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanalana izay olana izay ny serasera. Araka izany dia aorian’izao fidinana ifotony izao dia tsy maintsy ho hatsaraina ny fomba fandraisana olona. Indrindra ireo fandraisana ny olona mpila raharaha ao amin’ireny rafitra ireny. Ny tanjon’izany moa dia ny hanamorana ny fahazoany ny tolotra ilain’ireo mpisitraka ireo. Indrindra fa ireo be antitra izay matetika mila fanampiana rehefa eny anivon’ireny toerana ireny. Ilaina araka izany ity asa fanatsarana ny tolotra ity mba hanamora ny asa na ho an’ireo mpiasa na ireo mpisitraka izany.

Lire la suite

Articles Similaires