Herinaratra : Hisy fahatapahana mandritra ny adiny 8 ny jiro eto Antananarivo hatramin’ny 30 may izao
Ahitana fikorontanana misongadina ny famatsiana herinaratra manerana ny tambazotra iraisan’Antananarivo amin’izao fotoana izao. Haharitra hatramin’ny alakamisy 30 may izao izany.
Nanao fanambarana sy fampahafantarana mialoha momba izany ny avy ao amin’ny JIRAMA, mba hahafahan’ny rehetra miomana. Haharitra eo ho eo amin’ny 8 ora eo isaky ny toerana izany fahatapahana izany.
Fanamboarana sy fikarakarana fitaovana
Tanàna maro manerana an’ny Antananarivo no iharan’izany fahatapahan-jiro izany. Samy manana ny antony anefa izy ireny raha ny fanazavana. Manomboka androany alakamisy dia ny any amin’iny faritra Amboanjobe sy Ambohimanga iny no ahitana fahatapahana voalohany noho ny fanoloana fitaovana mitondra herinaratra sy fikarakarana fitaovana hafa. Haharitra hatramin’ny 4 ora hariva izany ho an’ireo toerana roa ireo. Haharitra hatramin’ny hariva hatrany izany ny fahatapahana ho an’ireo faritra rehetra tondroin'ny Jirama. Tafiditra ao anatin’izany ohatra Soamanandrariny, Ambohimanarina, Ampasanimalo, Ivandry, Soavimasoandro, Ambohidratrimo, Ambohijanahary, Ambodivona, Ivato, Andakana, Ambohijanaka, Antanetibe … Marihina anefa fa ankoatra ireo dia mbola misy ihany koa ireo toerana izay mety hiaina anaty fahatapahan-jiro.
Mbola mila ezaka
Olana efa nipetraka nandritra ny fotoana ela ny mahakasika ity olan’ny famatsiana rano ity ho an’ny Antananarivo. Manampy trotraka izany ihany koa ny olan’ny famatsiana rano izay mia-mahery vaika amin’izao fotoana izao. Samy ilaina ezaka lehibe avokoa ireo olana roa ireo. Izany indrindra rahateo no anton’ny fahatongavan’ilay Tale Jeneraly vaovaon’ny JIRAMA. Miandrandra vahaolana haingana ny mponina, izay tsy eto Antananarivo irery fa saika manerana ny Nosy. Mainkina amin’ity herinaratra ity avokoa ny ankamaroan’ny asa fivelomana rehetra ka izany no ilaina io vahaolana haingana io. Anisan’ny mahatonga fatiantoka ho an’ny tsirairay ary mipaka any amin’ny firenena iray manontolo ity olana ity ka tokony hojerena akaiky.
Vahaolana maharitra
Tsy ampy ho an’ny famahana ny olana misy ny vahaolana ampotimoty izay raisina matetika. Io anefa no mahatonga ny fiverenan’ny fahatapahan-jiro matetika loatra satria tsy tomombana ny fitaovana ampiasaina. Araka izany, ary indrindra raha ny fangatahan’ireo mpampiasa ny tolotra izay omen’ny JIRAMA dia ny vahaolana maharitra no mahomby. « Tokony hividy fitaovana mahatanty ny herin’ny filàn’ny mponina mba tsy hanamboarana izany matetika. Tokony ampiana ihany koa ny fampianarana ny rehetra momba ny fikojakojana ireny fitaovana ireny », hoy ireo mpampiasa herinaratra. Mbola manantena vahaolana hatrany ny mpisitraka amin’ny maha-zava-dehibe io filàna herinaratra io.