• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Famongorana ny andiam-balala : Hampivadiana ny angidimby sy ny ady an-tanety

23/05/2024 09:37 © Moov.Mg

Distrika maromaro eto Madagasikara no voalaza fa nandalovan'ny andiam-balala, tao anatin'ny herinandro mahery izay. Tapaky ny Filàn-kevitry ny Minisitra notontosaina omaly ny hampiasana ny angidimby, mba hanampiana tosika ny ady atao amin'ny valala.

Simba ny fambolena

Ny sabotsy lasa teo dia nahitana andiam-balala tao amin'ny kaominina Tanandava Station, distrikan'i Morombe, Faritra Atsimo Andrefana. Potika ny fambolena, toy ny vary, izay nolalovan'ireo andiam-balala. Omaly tolakandro indray dia namakivaky ny tanànan'i Morondava, Faritra Menabe, ny andiam-balala, ka simba ihany koa ny fambolena tamin'ny toerana nandalovany. Tamin'ny 3 mey lasa teo moa dia nisy ny fivoriana nanaovana ireo tomban’ezaka entina iadiana amin’ny valala. Nentina indrindra nijery ireo fepetra tokony horaisina, mahakasika ny fiakaran'ny valala ao amin’ny Faritra Atsimon'ny Nosy, ity atrikasa ity. Nandray anjara tamin'izany fivoriana fanamafisana ny ady atao amin'ny andiam-balala izany ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ratohiarijaona Suzelin ; ny solontena maharitry ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) eto Madagasikara, Mbuli Charles Boliko, ary ny Dr Idaly, Tale Jeneralin’ny Ivon-toerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara (IFVM).

Velaran-tany midadasika

Tanjona ny hamongorana tanteraka ireo andiam-balala sy ny hitondran'ny Fanjakana tan-tsoroka ho an’ireo mpamboly, mba hahafahan’izy ireo mamokatra am-pitoniana. Tafiditra ao anatin'ny Tetikasa Mionjo rahateo izany, izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Nankatoavin’ny Filàn-kevitry ny Minisitra omaly àry ny hamongorona ireo andiam-balala, amin’ny alalan’ny angidimby, ao amin’ny distrikan’i Manja, Mahabo, Sakaraha, Ankazoabo, Beroroha, Ikalamavony ary Ambatofinandrahana. Mirefy manodidina ny 270 000 Ha ny tanimboly tokony arovana, ka ny 27 000 Ha no voaaro amin’ny alalan’ny hetsika an-tanety. Mba hahafahana miaro velaran-tany midadasika kokoa dia ilaina ny mampivady ny hetsika an-tanety sy an’habakabaka, antony nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. Ankoatra izay dia nisy ny paikady efa napetraka ao anatin’ny efa-taona, mba hamongorana tanteraka ny fiakaran’ny valala an-tanety, hoy hatrany ny tatitry ny Filàn-kevitry ny Minisitra.

Lire la suite

Articles Similaires