• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fonja : Maimaimpoana ny famangiana voafonja manerana ny Nosy

22/05/2024 16:44 © Moov

Namerina nampahafantatra ny olona mila raharaha ao aminy indray ny avy eo anivon’ny Fonjan’Antanimora nandritra ny roa volana izay fa tsy andoavam-bola velively ny mitsidika ireo olona voafonja. Mitombona ihany koa izany ho an’ireo fonja rehetra manerana ny Nosy.

Mila manana fahazoan-dalana

Nanazava ny fepetra tokony hajaina rehefa hamangy ho an’ny Fonjan’Antanimora ny Lehiben’ny Fonja, Heriniaina Razafindrazaka ka tamin’izany no nanazavany fa tsy maintsy manana ny fahazoan-dalana na ny « permis de communiquer » avokoa ny rehetra maniry hitsidika ny havany. Mipetraka anatin’ny lalàna mifehy ny fonja tanteraka izany ka ny rehetra, tsy ankanavaka dia tsy maintsy manaja izany avokoa. Marihina anefa fa misy karazany roa ny voafonja ka tsy maintsy manaraka io fepetra io avokoa. Ao anatin’izany karazany izany ny famangiana ho an’ny olona tsy mbola voatsara na ny “prévenue”, ary ny famangiana ireo efa voatsara na “condamné ». Mitovy izany ny fepetra arahina. Ho an’ireo mbola tsy voatsara dia any amin’ireo mpitsara izay miandraikitra ny taratasy famonjana azy ny fianakaviana no maka izany taratasy fahazoan-dalana izany. Ho an’ireo efa voaheloka kosa dia eny amin’ny fonja no hakana ny taratasy.

Mila manaja fandaminana

Raha ho an’ny Fonjan’Antanimora manokana, isaky ny alakamisy ny alahady ihany ny andro famangiana, kanefa tsy maintsy manana ireo taratasy ireo hatrany. Samy manana ny azy kosa ny fonja hafa rehetra manerana ny Nosy. Efa hita misoratra eny an-toerana rahateo ireo fepetra takiana sy ny andro hahafahana mamangy. Misy ihany koa anefa ny toerana fangatahana fanampim-panazavana sy fitrandrahana vaovao ary torolalana eny an-toerana ho an’ireo izay mila izany. Dingana farany izay harahina ho an’ireo izay manana zavatra hafa ho resahina ny fanantonana ny Lehiben’ny Fonja. Notsindrian’ny avy ao amin’ny fiandraiketana ny fonja moa fa tsy misy ny vola takiana amin’ny famangiana, ka tokony hahalala izany ny rehetra mba hialana amin’ny kolikoly.

Lire la suite

Articles Similaires