• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sadc
Image
Vaovao

Solontenan’ny SADC : Fihaonana tamin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana no nanombohana ny fanaraha-maso

22/05/2024 16:25 © Moov

Efa tonga eto an-toerana ireo solontena mpanara-maso fifidianana avy ao amin’ny « Southern African Development Community » na ny (SADC). Efa nanatanteraka asa avy hatrany izy ireo nanomboka androany raha efa avy nandalo fampiofanana mialohan’ny fidinana an-tsehatra ny herinandro lasa teo.

Hampanjaka ny demokrasia

Tafiditra ao anatin’ny asa miandry ireto solontena hanara-maso fifidianana ireto ny fihaonana tamin’ireo mpikarakara ny fifidianana manerana ny Nosy. Izany indrindra no nanombohany ny asany androany. Ilaina rahateo izany amin’ny fametrahana ny lamina rehetra mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Izany rehetra izany moa dia ny mba hitoeran’ny demokrasia maharitra eto Madagasikara. Nifampiresahana nandritra io fihaonana io ny mahakasika ny fomba fikarakarana ny fifidianana sy ny rafitra rehetra momba ny fandriam-pahalemana. Tsara hatrany ny mampatsiahy fa ny antony hatongavan’ireto mpanara-maso ireto dia ny mba hampilamina ny zotram-pifidianana mba hanjakan’ny fahalalahana sy ny demokrasia. Izany dia miainga avy amin’ny andininy faha telo izay mamaritra ny fifidianana demokratika eo amin’ny SADC fa manara-maso ny fifidianana rehetra misy izy ireo ary indrindra ny mahakasika ny fandriam-pahalemana.

Hanao tatitra sahady ny 31 may

Hiasa avy hatrany ireo solontenan’ny SADC ireo manomboka izao hatramin’ny aorian’ny fifidianana. Ny 31 may, roa andro aorian’ny androm-pifidianana dia efa hanatanteraka sahady ny tatitra voalohany izy ireo. Raha ny tatitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo ohatra dia nihabo izany ny vokatra azo satria nilamina raha ny tatitra nataon’izy ireo. Andrasana ihany koa ny vokatra amin’ity fifidianana solombavambahoaka ity mba hanaraka izany. Anisan’ny hotsaraina ny fahazotoan’ny mpifidy sy ny filaminana mandritra io andro io. Zava-dehibe ihany koa anefa ny mialoha sy ny aoriana. Ity tatitra ity izay ilaina hahafahana mamaritra ny toerana misy an’ny Madagasikara amin’ny lafiny demokrasia eto Afrika.
Marihina moa fa noho ny fangatahan’ny Governemanta Malagasy no nahatongavan’ireto vondrona ireto ary maharitra 25 andro ny asa fanaraha-maso hataony amin’ity indray mitoraka ity. Hatreto dia mbola azo lazaina ho milamina ny zotram-pifidianana manerana ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires