• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tetik’asa « art et biodiversité » : Hasongadina amin’ny alalan’ny kanto ny maha sarobidy ny karazan-javamananaina

22/05/2024 15:49 © Moov

Miditra amin’ny andiany fahatelo indray ny fiantsoana tetik’asa « art et biodiversité » izay karakarain’ny La Teinturerie sy ny « Fondationa pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar (FAPBM). Miompana amin’ny fiarovana sy ny fahaizana miara-miaina amin’ny karazan-javamananaina ny lohahevitra amin’ity taona ity. Ny karazana zava-kanto rehetra dia afaka mandray anjara amin’izany tetik’asa izany avokoa.

Kanto mampahafantatra ny voaary

Tanjon’ity tetik’asa ity hatramin’ny voalohany dia ny hampahafantatra bebe kokoa ny fisian’ireo faritra arovana miisa 123 amin’izao fotoana izao manerana ny Nosy. Antso avo hampitsaharana sy hamerenana ny karazan-javamananaina very araka izany ity tetik’asa ity. Anisan’ny hotsaraina amin’izany ny karazan’olona tiana ho tratrarina amin’ireo kanto izay hatao. « Ny tanjona lehibe indrindra dia ny hampahafantatra ny fisian’ireo voaary maro be sy ny karazan’ireo faritra arovana satria mbola tsy ampy izany eto amintsika. Tsy maintsy tetik’asa kanto mahasarika sy mipaka amin’ny olona maro manerana ny Nosy no ho voaray ao anatin’ny fifaninanana », hoy i Rindra Miarivololona avy ao amin’ny FAPBM. Na teatra, na poezia, na slam, na sary, na hira… dia samy afaka mandray anjara amin’ity fifaninanana ity avokoa ary mifarana hatramin’ny 7 jolay ny fara-fandraisana ny famaliana ny antso tetik’asa izay hita ao amin’ny tranonkalan’ny FAPBM sy ny pejin’ny La Teinturerie. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fikambanana isan-karazany fa tsy maintsy zavakanto anefa ny tetik’asa mivoaka vao afaka ho voasafidy.

Fanohanana hatramin’ny 2 tapitrisa ariary

Samy hahazo fanampiana na « bourse » hatramin’ny 2 tapitrisa ariary ireo tetik’asa telo ho voasafidy amin’io fifaninanana io. Hahazo tohana sy torolalana hatrany ihany koa ireo tompon’ny tetik’asa mandritra ny fotoana rehetra hahafahana manaparitaka izany mba ho fantatry ny olona rehetra. Ireo mpanakanto ireo rehefa avy eo dia omena tohana foana hampahafantatra ny fisian’ireo voaary sy hanatsara hatrany ilay tetik’asa. Any amin’ny volana septambra any vao havoaka amin’ny fomba ofisialy ireo kanto izay voasafidy ka hijanona eo mandritra ny herintaona ho fanentanana ny olona hanakaiky ny tontolo iainana. Izany hoe mba hiaro sy hikolo izay misy azy, fa indrindra ireo faritra arovana manerana ny Nosy. Mpitsara ahitana mpahay zavakanto sy manam-pahaizana amin’ny tontolo iainana no hifidy ireo tetik’asa hahazo ireto tohana ireto. Etsy andaniny dia afaka mandray anjara avokoa ny rehetra fa indrindra ireo tanora mana-talenta satria manana adidy betsaka amin’izany fiarovana ny tontolo iainana izany ireo tanora ireo.

Lire la suite

Articles Similaires