• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Vaovao

Fitaterana an-tariby : Vinavinaina handeha amin’ny fomba ofisialy mialoha ny 26 jona

22/05/2024 15:32 © Moov

Nanatanteraka ny andrana teknika tamin’ireo fitaovana tena hitatitra olona (cabine) amin’ny alalan’ilay fitaterana an-tariby (téléphérique) amin’izay ny avo amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH) anio. « Cabine » miisa telo no nitety ny lanitr’Antananarivo io maraina io ary vinavinaina handeha amin’ny fomba ofisialy alohan’ny 26 jona ity fitaterana vaovao ity.

Andrana teknika faharoa

Efa andrana teknika faharoa ity natao anio ity raha efa tamin’ny volana marsa tany no nanatanterahana ny andrana tamin’ireo tariby izay napetraka teo amin’ny zotra AnosySoarano. Nivezivezy nitondra olona ireo « cabine » miisa telo ireo androany. Teknisianina avy ao amin’ireo orinasa mpanatanteraka ny tetik’asa sy avy ao amin’ny SENVH no nandeha tamin’izany voalohany indrindra raha ho an’ny anio. Miisa 27 kosa ireo « cabine » tena hiasa eo amin’io zotra io rehefa tena hitatitra olona amin’izay fotoana izay. Hanala ny fahasahiranana amin’ny fitohanana tanteraka ihany koa ny fisian’ity tetik’asa ity satria dia haharitra telo minitra monja ny lalana rehefa amin’izay fotoana izay, raha mbola teo amin’ny 15 minitra teo izany tamin’ity andrana ity. Ho ampitomboina tsikelikely io hafainganam-pandeha io hoy ny avy ao amin’ny SENVH.

Mahazaka olona 9 hatramin’ny 12

Aorian’ny andrana tsotra ity dia hiditra amin’ny andrana amin’ny entana zakany indray ireo tompon’andraikitra. Raha ny fantatra dia 900 kilao eo ho eo no ho zakan'ny cabine izay, ka olona 9 hatramin’ny 12 entina isaky ny fikisahana. Mbola hisy moa ny andrana farany hataon’ireo teknisianina mba hahafahana mahazo ny fankatoavana farany amin’ny fampandehanana ireo fitaovam-pitaterana ireo.

Ny zotra mampitohy an'Anosy sy Ambatobe indray dia vinavinaina ho vita hatramin’ny faran’ity taona ity no handeha. Efa eo am-panatanterahana ny asa hahafahana miroso amin’ny andrana ihany koa ireo teknisianina ankehitriny.
Marihina moa fa andrana ihany ity hatao amin’ity zotra Analakely-Soarano ity mba hahafahana mijery ny fomba fitantanana tsara ny zotra hafa manaraka eo.

Tsy misy hatahorana ny aroloza

Manamafy ny avy ao amin’ny SENVH fa tsy misy atahorana ny mahakasika ny aroloza eny ambony eny. Efa vita dinika avokoa ny momba izany rehetra izany. Nilaza ireo teknisianina fa efa manaraka ny fenitra eropenina ity tetik’asa ity ka efa voalanjalanja avokoa izany resaka aroloza izany. Etsy andaniny, rehefa tapaka ny jiro dia miodina avy hatrany ny milina hahafahan’ireo fitaovana handeha tsy ankijanona. Eo amin’ny 4 megawatt eo ny herinaratra ilain’ity fomba fitaterana ity ka efa niomanana izany.

Lire la suite

Articles Similaires