• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fikojana ny lalana : Manaraka fiofanana any Japana ireo mpiasan'ny ministeran'ny asa vaventy

22/05/2024 15:29 © Moov

Manatrika fampiofanana any Japon amin'ny alalan'ny JICA ny mpiasan'ny ministeran'ny asa vaventy miisa 19 amin'izao fotoana izao. Izany hetsika izany moa dia mifanaraka amin'ny fanamafisana ny fifandraisana misy eo amin'ny Japon sy i Madagasikara. Tanjona ihany koa ny hanamafisana ny fahaiza-manaon'ny Malagasy momba ny lalana.

Fotodrafitrasan'ny lalana maharitra

Raisina ho laharam-pahamehana ihany koa amin'izao fotoana izao ny fanamboaran-dalana indrindra ny fitahirizana izany haharitra. Anisan'ny tanjon'ity fampiofanana ity ny hanome fahalalana ireo tompon'andraikitra ireo mahakasika ny fitantanana maharitra sy fikojakojana ny lalana. Indrindra ireo lalam-pirenena izay niarahana nanamboatra tamin'ny JICA. Izay indrindra no nanombohana ny fampiofanana. Niompana tamin’izay resaka fanajariana sy fitantanana ny fikojakojana ny lalana na “aménagement et gestion de l’entretien des routes au Japon” no lohahevitra nanombohana ny fiofanana ny alatsinainy teo. Famelabelan-kevitra nataon’Andriamatoa Furuki Moriyasy, Injeniera ao amin’ny « CTI Engineering International » any Japon. Vinavinaina hitondra fanavaozana amin'ny lalana eto Madagasikara izany traikefa hifampizarana any an-toerana izany.

Fikojakojana mialoha

Fihetsika efa tokony hatao mialohan'ny asa rehetra ihany koa ny mandinika io fikojana lalana io. Araka izany dia io lohahevitra io indray no nanohizana ny fampiofanana. Natomboka tamin'ny fitsidihana ny “Public Work Reaserch Institut (PWRI) ao Tsukuba izany. Docteur Ingénieur Shunsuka Tanaka, no nitondra ny famelabelarana izay nifantoka tamin’ny faharetan’ny lalana amin’ny alalan’ny fisorohana sy fikojakojana mialoha na “prolonger la vie de la chaussée par la maintenance préventive”. Nasongadiny tamin’izany ny “Approche d’entretien préventive” sy ny “ligne directrice d’inspection de route”. Nanatanteraka fitsidihana ny toerana fanandramana ireo lalana vita izany rehefa avy eo.

Lire la suite

Articles Similaires