• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Fanatanjahan-tena : Ho tanterahina ao Antsirabe indray ny ASIEF raha tokony tany Antsiranana

22/05/2024 13:31 © Moov

Niova ho any Antsirabe indray no hanatanterahana ny lalao ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana izay karakarain’ny ASIEF na ny fikambanan’ny mpiasam-panjakana mitaiza vatana amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena raha tokony tany Antsiranana. Tsy nisy fiovana ny daty fa ny 5 hatramin’ny 18 aogositra hatrany.

Lalana ratsy

Roa volana sisa dia ho tonga io fotoana hanatanterahana io lalao ara-panatanjahantena io. Na dia efa manao ny ezaka amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena mankany Antsiranana aza ny fitondram-panjakana dia nandray fanapahan-kevitra ny hanova ny toerana ireo mpikarakara noho io resaka lalana io. « Efa mihoatra ny 500 000 ariary amin’izao fotoana izao ny saran-dalana mandroso sy miverina any Antsiranana noho ny toetran’ny lalana any. Mbola mihoatra izay izany ny vola ilaina ho an’ny olona iray satria miampy sakafo. Fotoan’ny fitsitsiana anefa izao ka mety hanahirana ny minisitera tsirairay ny hanefa izany », hoy i Andrianarison Jean Aimé Botosera, filohan’ny ASIEF nanazava ity fanapahan-kevitra ity. Mety ho reraka ihany koa ireo mpilalao satria ela vao tonga any an-toerana ary tsy maintsy hampitombo ny vola mivoaka ihany koa izany. Antsirabe rahateo akaiky hoy ireo mpikarakara ka mety tsy hisy olana ary indrindra efa vonona amin’ny fotodrafitr’asa rehetra ny any an-toerana.

Mpilalao maherin’ny 15 000

Miandry mpiasam-panjakana miisa 15 000 hatramin’ny 20 000 eo ho eo ny ASIEF amin’ity lalao ho an’ny taona 2024 ity. Ao amin’ny tranonkalan’ny ASIEF ihany no afaka misoratra anarana ho an’ireo izay te handray anjara hatramin’ny 31 mai izao. Efa eo ho eo amin’ny enina arivo eo ireo mpilalao efa nisoratra anarana amin’izao fotoana izao raha ny fanazavana ary antenaina ho tonga hatramin’ny roa alina izany satria efa natao akaiky ny toerana. Tsy misy fiovana ny fepetra takiana fa afaka mandray anjara avokoa ny tsirairay rehefa manana ny fanamarinana fa mpiasam-panjakana izy. « Manome toky izahay fa tsy hisy ny olana handraisana ireo mpiasam-panjakana rehetra ireo. Na ny fotodrafitrasa ho an’ny lalao rehetra na ny toerana hipetrahan’ireo mpilalao dia efa azo antoka fa ampy izany ao Antsirabe ka hanentanana ny fandraisana anjaran’ny tsirairay izany », hoy hatrany ny fanazavana.

Lire la suite

Articles Similaires