• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fihariana
Image
Vaovao

Tetikasa Fihariana : Mpamboly katsaka 585 isa no mahazo tohana any amin’ny Faritra Melaky

22/05/2024 12:23 © Moov.Mg

Nitsidika ny fambolena katsaky ny kaoperativa Fandrosoantsoa ho an'i Melaky (FA.ME) ny filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fidinana ifotony notanterahiny tany amin’ny Faritra Melaky. Anisan'ireo misitraka ny fanohanan'ny tetikasa Fihariana ity kaoperativa ity.

Nahazo fampitaovana

Mpandraharaha mpamboly katsaka miisa 585 no tohanan’ny tetikasa Fihariana any amin’ny Faritra Melaky, amin’ny alalan’ny fampitaovana. Isan’ny goavana indrindra tamin’izany ny anolorana ho azy ireo « moissonneuse batteuse », fitaovana izay efa am-perinasa tanteraka amin’izao fotoana izao ka ahafahan’izy ireo mampitombo ny taham-pamokarany. Tanjon’ireo tantsaha, araka ny fanazavana, ny hamboly ao anaty velaran-tany 8.000 Ha ary efa tratra izany, noho ny fanan’izy ireo fitaovana. Ny orinasa Sahanala no miandraikitra ny fanangonam-bokatra sy ny fanodinana izany ho akora fototra entina hamatsiana ireo indostria any avaratry ny Nosy. Araka izany, afaka nahita maso ny fandroson’ny asan’ireo tantsaha mpamboly katsaka ao amin’ny Faritra Melaky, sy ny fizotry ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny orinasa Sahanala, ny Filoham-pirenena, nandritra ny fitsidihana notanterahany tany an-toerana, omaly.

Fampiroboroboana ny indostria

Ankoatra ny famoronana asa mivantana ho an’ireo mpandraharaha mpamboly miasa eny ifotony, dia mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny rojom-pihariana katsaka ny tetikasa Fihariana. Notsiahivin’ny filoha Andry Rajoelina, fa tanjon’ny fitondram-panjakana ny hamokaran’ny Malagasy sy hanodinana ny vokatra ilain’i Madagasikara eto Madagasikara ihany. Efa dingana iray amin’izany izao tontosa any amin’ny Faritra Melaky izao. Betsaka ny tombontsoa azon’ireo mponina ifotony, araka ny nohazavain’ny Filohan’ny Repoblika, toy ny fiakaran’ny fari-piainan’ny tantsaha, ny fiakaran’ny vidim-bokatra eny anivon’ireo mpamboly ary koa ny fihenan’ny asan-dahalo, satria manana asa atao ny olona, ka tsy voasarika handroba.

Lire la suite

Articles Similaires