• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

CUA : Notokanana ny Jet d'eau sy ny Tsangambataon'Iarivo

20/05/2024 07:41 © Moov

Nandritra ny takarivan'ny zoma 17 may lasa teo no nanatanterahan'ny Kaominina Antananarivo renivohitra ny lanonana nanokanana fotodrafitr'asa miisa 2.

Nafana tokoa ny "Afondasin'Iarivo" ny zoma lasa teo, izay niarahana tamin'ny tarika Iraimbilanja. Nandritra izany fety natrehan'ny mponin'Antananarivo izany no nanatontosana fanokanana ireo fotodrafitrasa 2. Ny voalohany dia ny Tsangambaton'Iarovo, izay anamarihana ny maha-renivohitr'i Madagasikara an'Antananarivo. Ny faharoa kosa dia ny Jet d'eau izay nasiam-panavaozana. Tsy vitsy tokoa mantsy ireo mponin'Antananarivo sy ireo izay sendra mandalo no maka sary fahatsiarovana manoloana ilay rano mahafinaritra manoloana ny Lapan'ny Tanàna.
Misokatra ho an'ny rehetra moa ireo fotodrafitr'asa ireo. Tsara kosa ny manamarika fa tsy azo atao ny miditra na milomano ao anatin'ilay mahitsizoro lehibe misy rano. Entanina ny rehetra mba hiara-hitandro ireo fananam-bahoaka tsara endrika ireo.

Lire la suite

Articles Similaires