• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Jirama : Laharam-pahamehana ny famerenana ny herinaratra amin’ireo izay lasa tsy nisitraka izany

17/05/2024 18:08 © Moov

Ataon’ny Tale Jeneraly vaovao miandraikitra ny Jirama ho vaindohan-draharaha ny fitsinjovana ny mpanjifa, raha ny tatitra tao amin’ny pejin’izy ireo. Araka izany dia ho asa laharam-pahamehana ny famerenana ny herinaratra amin’ireo olona izay lasa tsy nisitraka izany, noho ny olana isan-karazany tao amin’ny orinasa.

Hatsaraina ny tolotra

Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa dia hatsaraina ny tolotra hoy hatrany ity filazana ity. Maro manko ireo mpanjifan’izy ireo no voaala tamin’ireto farany ny herinaratra ka tsy maintsy haverina izany ho fanatsarana indray ny tolotra. Samy hiverina hisitraka izany ireo olona rehetra izay manana ny antony mazava tamin’ny fanesorana ilay herinaratra. Voaray ao anatin’izany ireo mpanjifa izay voatery noesoriana tamin’izy ireo ny kaontera noho ny fikatsoan’ny « index », ny hosoka, sy ny fahasimbana na fahavoazana hafa tamin’io fitaoavana io. Ao anatin’izany ihany koa ireo olona izay tratra nangalatra taribin-jiro mampitohy amin’ny kaontera. Izany sa izany moa raha ny fanamarihana dia anisan’ny asa laharam-pahamehana ho an’ity mpitantana vaovao ity. Efa nanomboka omaly avy hatrany ny asa ho an’ny teto Antananarivo ary haharitra 10 andro raha toa ka tapa-bolana no faharetan’ny fanatanterahana izany any amin’ny faritra nohon’ny mbola fitaterana ny filàn’izy ireo araka ny fangatahany avy.

Hitohy ny asa

Ankoatra izany dia hitohy ihany koa ny asa efa natao teo aloha rehetra. Aorian’izao asa izao avy hatrany dia hiroso amin’ny fanatanterahana ireo asa fangatahana fampidirana herinaratra indray ny Orinasa JIRAMA mba hahafahana mamaly ny hetahetan’ny Mpanjifany hatrany. Tsara ny manamarika fa ilay vahiny Ron Weiss no mpitantanana ny JIRAMA amin’izao fotoana izao. Ity olona ity dia efa mpitantana ny orinasa mpamatsy herinaratra tao Rwanda nandritra ny 6 taona ka izay ihany koa no antony nisafidianan’i Filoham-pirenena azy hahafahany mampiseho ny fahaiza-manaony amin’ny fanarenana ny hasin’ity orinasam-panjakana ity indray. Ankoatra izay dia manantena vokatra tsara ihany koa ny Malagasy rehetra amin’izao fiovam-pitondrana izao.

Lire la suite

Articles Similaires