• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ravinala Airports
Image
Vaovao

Fampianarana : Nahazo dabilio ekolojika vita amin'ny fako plastika ny EPP Ivato Village

26/03/2024 11:52 © Moov

Ezaka ifanohanana ny fanatsarana ny fampianarana eto Madagasikara, ka voakasika amin'izany na ny Fanjakana, na ireo orinasa & fikambanana isan-tokony na ireo olon-tsotra. Nanolotra anjara biriky ho an'ny fanabeazana ny Ravinala Airports androany, tamin'ny alalan'ny fampitaovana ny sekoly ambaratonga fototra iray teny Ivato.

Dabilio miaro ny tontolo iainana

Tsy dabilio hazo toy ny mahazatra no natolotra ny EPP Ivato Village androany. Vita amin'ny fako plastika mantsy ireo dabilio natolotra. Ny orinasa "Andao Company" no nanatanteraka ny asa, ka nanangona fako plastika sy nanodina izany, nahazoana dabilio ekolojika.

Nosafidian'ny Ravinala Airports manokana izany fotodrafitrasa ekolojika noho ireto antony manaraka ireto :
-Mihasimba ny tontolo iainana noho ireo fako plastika, indrindra miakatra ny rano rehefa avy ny orana noho ny fahatsentsenan'ny tatatra. Ny fako plastika voadio 200 kg nefa dia mahavita dabilio 5 na 6 ;
-Maharitra kokoa ny vokatra azo avy amin'ny plastika. Maharitra folo taona na mahery ny faharetan'ireo dabilio, raha 3 na 4 taona dia simba ny dabilio vita amin'ny hazo ;
-Manome asa ny manodidina ny famatsiana plastika ny orinasa mpanodina fako plastika ;
-Manome hafatra tsara ireo mpianatra ny amin'ny tokony hanodinana ny fako ;
-Azo safidiana tsara ny lokon'ny dabilio, ary teto izao dia natao maroloko izany mba hanintona ny mason'ny ankizy.

Ireo sekoly eny amin'ny manodidina an'Ivato moa no tena mahazo tombony amin'ny fanohanana ara-tsosialy RSE ataon'ny Ravinala Airports. Tamin'ity tetikasa ity dia ny Sofitrans no nanolotra ny plastika izay nampiasaina nanamboarana ireo dabilio. Tsara ny manamarika fa mividy plastika madio ny "Andao Company", ho an'ireo olon-tsotra mahavita manangona 50 kilao no mihoatra.


Copyright Image : © Moov

Fifanohanana sy fiaraha-miasa

Andro lehibe tokoa androany ho an'ny EPP Ivato Village satria nisitraka fanomezana avy amin'ny Rotary Club Ivandry ihany koa. Nanolotra boky sady nandoko ny trano fianarana mantsy izany vondrona izany. Tsy adino ihany koa ny nanamboarana lava-drano sy nanolorana daba-pako.
Mbola manao antso avo hatrany ny Talen'ny sekoly amin'ireo malala-tanana mbola vonona ny hanolotra fampitaovana. Miisa 1 123 mantsy ireo mpianatra ka mbola tsy ampy ireo dabilio ao an-toerana, na dia eo aza ireo efa natolotry ny Ravinala Airports.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires