• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Drenche
Image
Vaovao

Anjozorobe : Roa maty voatifitra, ankizy telo « otage »

25/03/2024 09:29 © Midi Madagasikara

Fanafihan-dahalo mahery vaika no nitranga tao amin’ny tanànan’Antsenakely ( Foroanarina), ao amin’ny kaominina Anjozorobe, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo.

Havizanana, tahotra, alahelo… ireo no tazana tamin’ny endrik’ireto mponina avy niaina horohoro tamin’io alina saika tsy nanam-pahataperana io. Nandriaka ny rà. « Tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any no naheno poabasy voalohany izahay. Ary feom-basy marovava nony avy eo, niampy varavarana potika sy horakoraka», hoy ny fitantaran’ny iray tamin’ireo mponina. Mazava ho azy, tsy nisy sahy nivoaka ireo olona, noho ny tahotra. « Mitady hanohitra ireto fa tonga dia tifiro (…) ». Raha ny angom-baovao azo dia tokantranon’ny mpivarotra iray teny an-toerana no notongavan’ireto olon-dratsy ireto. Ny zanaky ny tompon-trano vavy no nalain’izy ireo an-keriny. Nanohitra anefa ilay rainy ka avy hatrany dia notifirin’ireto dahalo. Voa teo amin’ny lamosiny ary nivoaka taty amin’ny kibony. Nandohalika nifona ny zanak’ity rangahy lahy rehefa nahita ny rainy nitsirara tao anaty rà mandriaka kanefa, noheverin’ireo tsy mifaditrovana handeha hanohitra ihany koa. Hany ka tifitra, nahazo ny tratrany nifanandrify ny fony avy hatrany no nataon’ireo olon-dratsy. Taorian’io, tsy nianona intsony tamin’ity ankizivavy ity ireo mpaka an-keriny fa nandeha niditra amboletra tao amin-trano hafa, tokantrano nisy ny sefo fokontany tao an-toerana. Ankizilahy kely miisa telo no nalain’izy ireo, izay samy zafikelin’ity farany avokoa. Naratra mafy nodarohin’izy ireo kosa izany raim-pianakaviana ary nazeran’izy ireo teny an-davarangana ny vadiny. Nitsoaka niakandrefana nihazo ny kaominina Analaroa sy Ambatomanoina iny ireto mpanafika taorian’io asa ratsy io, nitondra ireto ankizy efatra. Teny an-dalana, raha ny angom-baovao hatrany, no tafatsoaka ny iray tamin’izy ireo. Zaza telo araka izany no any am-pelatanan’ireo olon-dratsy : zazavavy iray 17 taona ary ankizilahy roa, 12 sy 13 taona. Hatreto raha ny vaovao azo hatrany dia tsy mbola nisy fitakiana vola nataon’io mpaka an-keriny. Ireo naratra kosa nentina avy hatrany novonjena tao amin’ny hopitalin’Anjozorobe.

« Mbola nisy aina kely ireo voatifitra taorian’ny fanafihana, saingy teny an-dalana hamonjy ny hopitaly no namoy ny ainy izy ireo », hoy ny fitantaran’ireto mponina. Marihina fa antsakadiny teo ho eo taorian’ny fanafihana no tonga ny mpitandro filaminana, raha ny voalaza hatrany, ary efa mandeha ny fanarahan-dia any an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires