• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Ora iray ho an’ny tany : Hetsika ho fiarovana ny natiora, mandritra ny adin’ny iray

22/03/2024 14:44 © Moov.Mg

Mandalo krizy 3 lehibe ny zanak’olombelona amin’izao fotoana izao, eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana : ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny loto ary ny fahapotehan’ny karazanjavamananaina. Manan-danja, noho izany, ny « ora iray ho an’ny tany », izay hetsika noforonin’ny WWF.

Mamono jiro

17 taona izao no efa nisian’ny hetsika « ora iray ho an’ny tany », noforonin’ny fikambanana iraisam-pirenena miaro ny tontolo iainana (WWF) tamin’ny taona 2007. Tanjona ny hamporisihana ny olombelona rehetra, mba hanana fomba fiaina manaja ny tontolo iainana sy mitsinjo ny ao aoriana. Fomba fanao mahazatra amin’io fotoana io, manerana ny firenena maro, ny mamono ireo jiro rehetra mandeha amin’ny herinaratra, mandritra ny ora iray. Na ny jiron’ireo vakoka lehibe sy mamirapiratra maneran-tany aza dia saika tsy misy mirehitra avokoa. Ho an’ity taona 2024 ity dia rahampitso 23 martsa no hanamarihana ity adin’ny iray ho an’ny tany ity, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina hatramin’ny 9 ora sy sasany. Tsy izay ihany anefa, fa mamporisika ny olona rehetra hanatanteraka hetsika isan-karazany ho fiarovana ny tontolo iainana ny WWF, mandritra io tontolo andron’ny rahampitso io.

Mifantoka amin’ny natiora

Marobe ireo azo atao, ho fiarovana ny tontolo iainana, hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro ary hampihenana ny loto vokatry ny asan’ny olombelona, manomboka amin’ny bitika indrindra ka hatramin’ny goavana indrindra. Azo atao, ohatra ny manokana fotoana hambolena eo an-tokontany, ny mitsidika valan-javaboahary na mandeha mitsangatsangana any anaty zava-maitso any, mba hamitranana fihavanana indray amin’ny natiora. Tsara ihany koa ny misafidy ny tsy hampiasa fiarakodia rahampitso mba hampihenana ny setroka. Ireo manan-talenta dia afaka mamorona tononkalo, tantara, manao sary, izay maneho ny hatsaran’ny tontolo voajanahary sy manentana ny amin’ny tokony hiarovana azy ireny. Afaka mamorona zava-baovao amin’ny zavatra efa niasa ihany koa, mba hampihenana ny fako. Na ny fijerena horonan-tsary manome lanja ny tontolo iainana aza dia efa zava-dehibe, satria ahafahana mifantoka bebe kokoa amin’ny natiora.

Noforonina ny hetsika « ora iray ho an’ny tany » mba hampieritreritra ny olona ny amin’ny fahazarany izay mety manimba ny tontolo iainana, sy ny mba hitadiavany vahaolana ary hanovany fihetsika, mba ho fanajana bebe kokoa ny tontolo iainana. Ny olona rehetra no kendrena hanao hetsika ho an’ny tany, izay tranobe iombonana, mba ho lovain-jafy.

Lire la suite

Articles Similaires