• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Fitaterana an-dalamby an-tanàn-dehibe : Hiova ho « train électrique » ny « train urbain » mandeha solika

22/03/2024 12:11 © Moov.Mg

Raha tamin’ny volana aogositra tamin’ny taon-dasa no noheverina fa hanomboka ny dia andrana, amin’ilay tetikasa fitaterana an-dalamby an-tanàn-dehibe (train urbain), dia mbola niantona aloha ny tetikasa. Fantatra ankehitriny fa havadika ho fitaterana an-dalamby mandeha amin’ny herinaratra (train électrique) izany.

Fitsinjovana ny tontolo iainana

Amin’ny taona 2025 indray, raha ny vivavina, no hisitraka ilay tetikasa fitaterana an-dalamby an-tanàn-dehibe ny mponin’Antananarivo, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetry ny Andro, Ramonjavelo Manambahoaka Valéry Fitzgerald. Raha ny fanazavana azo dia isan’ny tanjona kendrena, ao anatin’izany fametrahana ny tetikasa fitaterana an-dalamby an-tanàn-dehibe izany, ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Noho izany dia navadika ho « train électrique » ny « train urbain » mandeha solika. Eo an-dalam-panafarana ireo fitaovana sy kojakoja rehetra ilaina amin’ny fampandehanana izany fitaterana an-dalamby mandeha amin’ny herinaratra izany ny fitondram-panjakana, ka tsy tratra ny fe-potoana napetraka teo aloha, hoy hatrany ny minisitra.

Fanatsarana ny fitaterana

Tanjon’ny tetikasa sy antony nisafidianana ny fitaterana an-dalamby, raha tsiahivina, ny hanala fahasahiranana ny mponina an-drenivohitra, amin’ny fampihenana ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Tombontsoa fanampiny, amin’ny fampiasana ity fiarandalamby mandeha amin’ny herinaratra ity, ny fampihenana ny fandotoana ny tontolo iainana, hoy Ramonjavelo Valéry. Herinaratra 6 MégaWatt eo ho eo no ilaina hampandehanana azy io, raha ny fanazavan’ny minisitry ny fitaterana. Efa nisy kosa ny fananganana ireo tobim-piantsonana ary tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fitaterana an-dalam-by, iarahana amin’ny orinasa Madarail ihany koa izao tetikasa izao.

Lire la suite

Articles Similaires