• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meah
Image
Vaovao

Andro eran-tany ho an’ny rano : Olona 10.600 isa any Menabe no nisitraka fotodrafitrasa vaovao

22/03/2024 10:04 © Moov.Mg

Ny 27,7%-n’ny mponina, amin’ny ankapobeny, no mampiasa rano fisotro madio eto Madagasikara, araka ny antontan’isan’ny Fanisana ankapoben’ny mponina sy ny toeram-ponenana (RGPH-3). Araka izany, Malagasy maro no mbola tsy misitraka ny zony eo amin’ny lafiny rano, fanadiovana sy fidiovana.

Rano antoky ny filaminana

Ny hisitrahan’ny 60%-n’ny Malagasy rano fisotro madio no tanjon’ny Fitondram-panjakana Malagasy, hatramin’ny faran’iny taona 2023 nivalona iny. Ho an’ny Faritra Menabe manokana dia tafakatra 54% ny tahan'ny olona misitraka rano fisotro madio ankehitriny, raha toa ka 39% izany tamin'ny roa taona lasa, hoy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Resampa Haja, sady Minisitra mpiahy ny Faritra Menabe. Tany amin’ny Faritra Menabe ihany koa no nanamarihana tamin’ny fomba ofisialy ny andro eran-tany ho an’ny rano 2024, androany, ho an’i Madagasikara, notarihin'ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy ny Fidiovana, Ravokatra Fidiniavo, notronon'ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. "Rano antoky ny filaminana", no lohahevitra novoizina tamin’izany fankalazana izany.

Kaominina telo

Fitokanana fotodrafitrasa momba ny rano, fanadiovana sy ny fidiovana no isan’ny nentina nanamarika ity andro anio ity, izay tafiditra ihany koa ao anatin'ny fanatrarana ny fanamby 100 andro, ao anatin'ny politika ankapoben'ny Fanjakana, ho fampisitrahana rano fisotro madio sy fotodrafitrasan'ny fanadiovana sy fidiovana mendrika ho an’ny mponina tsy an-kanavaka. Tao amin’ny kaominina Analaiva, Ampanihy ary Bezezika no nametrahana ireo fotodrafitrasa ireo, ka ny fikambanana tsy miankina Helevetas no mpiara-miombon'antoka ara-bola sy ara-teknika tamin'ny fananganana azy ireo. Mponina miisa 10.600, ao anatin’ireo kaominina 3 ireo, no hahazo tombontsoa amin'izao fotodrafitrasa izao.

Lire la suite

Articles Similaires