• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

21 marsa : Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala

21/03/2024 19:50 © Moov

Nandray anjara tamin'ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny ala Madagasikara androany 21 Marsa 2024, teny Imerintsiatosika. Fikolokoloana ireo zanakazo nambolena teny amin'ny faritry ny Tana-Masoandro no natao tamin'izany.

« Ny ala sy ny fampivoarana », izany no lohahevitra nobanjinina tamin'ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny ala. Anisan'ny fototry ny fampandrosoana mantsy ny fahombiazan'ny fambolena.

Fanaraha-maso sy fikolokoloana

Tsy ny fambolenkazo ihany no ifantohan'ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Tena imasoana ihany koa ny fanaraha-maso ireo zanakazo nambolena. Matetika mantsy izy ireny no matin'ny haintany na ny orambe. Mahavelom-bolo ny vokatra hatreto satria 85% ny taham-pahaveloman’ireo zanakazo novolena tao Tanà-Masoandro Imerintsiatosika ny 26 janoary teo.
Androany 21 martsa 2024 no nanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fikolokolona ny fambolen-kazo. Nanatrika ny fikolokoloana ireo zanakazo ireo teny an-toerana Andriamatoa Minisitra Max Andonirina FONTAINE , ny Faritra Itasy, ny kaominina Imerintsiatosika, ireo mpianala sy mpiara-miasa eo anivon'ny ministeran'ny tontolo iainana, ny vondron'olona ifotony eny an-toerana ary ireo mpiara-miombon’antoka.
Entanina ireo orinasa, fikambanana sy olon-tsotra nanatanteraka fambolenkazo mba hikarakara ireo zanakazo nambolena hatrany.

Drone mapping

Nampahafantarina androany ihany koa ny fampiasan'ny Ministeran'ny Tontolo iainana ny Teknolojia vaovao amin'ny asa sahaniny. Ao anatin'ny tetikasa Mionjo, ny Drone Mapping indray no anampiana ireo mpiandraikitra ny fanaraha-maso ny fambolen-kazo, ny fitrandrahana an-tsokosoko ny harena voajanahary ary ny doro tanety.

Lire la suite

Articles Similaires