• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Visiplus Academy
Image
Vaovao

Antsirabe : Hisitraka fiofanana mikasika ny "métiers du web" ireo tanora

19/03/2024 09:57 © Moov

Andro sisa no isaina dia hanomboka ny fiofanana maimaimpoana mikasika ny "métiers du web" ao Antsirabe, izay karakarain'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa.

Freelancing digital

Noho ny firoboroboan'ny teknolojia, efa azo atao tsara ny miasa an'habaka. Marobe ireo orinasa any ivelany no mpitady mpiasa tena hanatanteraka asa isan-karazany : assistance virtuel, rédaction web, community managment, traitement photo/ vidéo, sns. Matetika dia asa mikasika ny "site internet", dia ny fandrafetana, ny fikarakarana ara-teknika sy ny lahatsoratra/ sary aseho ny mpijery/mpamaky. Misy asa mahaliana ihany koa ny amin'ny fitantanana sy fitadiavana zavatra manintona amin'ny tambazotran-tserasera sosialy : Facebook, Instagram, Tiktok, sns.
Ireo mahafehy ny fampiasana ireo fitaovana ara-pifandraisana avolenta sy teny vahiny no tena mahazo tombony amin'izany. Ilaina ihany koa ny "Connexion internet" hahafahana mitady asa sy manatanteraka ireo andraikitra sahanina avy eo. Azo atao ny miasa ao an-trano na mamonjy "Cyber-café". Amin'ny maha-asa tena ny atao, arakaraka ny asa vita ny vola azo. Raha ho an'ireo manao "rédaction web" ohatra, misy "volume de mots" mila tratrarina isan'andro. Tsy latsaky ny "1000 mots" ny lahatsoratra soratana amin'ny ankapobeny, arakaraka ny toromariky ny mpampiasa.

Fiofanana misy fepetra

Tsy ireo tanora rehetra eo am-pitadiavana asa no afaka misitraka ny fampiofanana mikasika ny "métiers du web". 200 ihany no ho raisina, ka misy ny sivana tsy maintsy atao. Ny sivana dia ho tanterahina rahampitso sy rahafak'ampitso (20 sy 21 marsa) eny amin'ny DREFTP Vatofotsy.
Ireto avy ny fepetra takiana amin'ireo hanatrika ny fiofanana :
-Mahay teny frantsay tsara, na am-bava na an-tsoratra ;
-Mahay "informatique"
-Nandalo fianarana ambony
-Manana finday, tablette na solosaina
-Mahafantatra sady liana mikasika ny "métiers du web"

Efa tamin'ny volana janoary moa no nisitraka fampiofanana ny teto Antananarivo, ary ny volana marsa ny tany Toamasina. Mbola hitohy hatrany izany, ary hahazo ny anjarany ihany koa ireo faritra hafa.


Copyright Image : © METFP

Lire la suite

Articles Similaires