• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Système D
Image
Vaovao

Moov Flash - Vaovao tapatapany

19/03/2024 05:52 © Moov

Bealanana # Miakatra ny hazan-drano

Nisokatra tamin'ny zoma 15 marsa 2024 teo indray ny vanim-potoana fanjonoana tao Bealanana. Tsara ny vokatra amin'izao fotoana izao satria tsara sady maro ireo hazan-drano azo amidy.
Maro ireo mpivarotra sy mpanjifa no faly amin'izao fitobahan'ny lako (trondro) eny an-tsena izao. Manomboka amin'ny arivo ariary dia efa mahazo laoka matsiro sady be otrik'aina.

Toamasina # Manana klioba famakiamboky

Nitsangana ny "Club de lecture" Vavitiana ao Toamasina. Ilay boky "best seller" mitondra ny lohateny "𝑨𝒑𝒑𝒓𝒆𝒏𝒅𝒓𝒆 𝒂̀ 𝒔'𝒆́𝒄𝒐𝒖𝒕𝒆𝒓, 𝒄𝒐𝒎𝒎𝒆𝒏𝒕 𝒕𝒓𝒐𝒖𝒗𝒆𝒓 𝒍𝒂 𝒑𝒂𝒊𝒙 𝒅𝒂𝒏𝒔 𝒍𝒆 𝒃𝒓𝒖𝒊𝒕 𝒅𝒖 𝒎𝒐𝒏𝒅𝒆" nosoratan'i Prem Rawat no nofidian'izy ireo hanombohana ny vaky boky iraisana. Isaky ny faran'ny herinandro na ny Sabotsy hariva amin'ny 3 ora, na ny Alahady maraina amin'ny 9 ora ireo mpankafy literatiora no mifanome fotoana hiaraka hamaky boky.

METFP # Fifanarahana eo amin'i Madagasikara sy Emirats-Arabes Unis

Hanomboka tsy ho ela ny fampiofanana ireo tomponandraikim-panjakana ambony amin’ny resaka haitarika (leadership), fitantanan-draharaham-panjakana, fanatanterahana politikam-bahoaka, ary fahaiza-mitantana na « executive leadership program ».
Mizara andiany 2 ny fampiofanana, ny voalohany ho an’ireo minisitra ary ny faharoa ho an’ireo sekretera jeneralin’ny minisitera, ho voafantina manokana, ireo tale eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, ary ireo governora sasantsasany.

MEDD # Fanohanan'ireo mpiara-miombon'antoka

Ny 18 marsa no notanterahina ny fivoriana stratejika voalohan’ny PCS-E amin’ity taona 2024 ity.
Isan’ny nivoitra tamin’ny lahadinika ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny PCS-E mba hahomby sy haingana kokoa ary ny fijerena ireo asa mivaingana ho tanterahina.
Ho atao isan-3 volana ny fivoriana stratejika hahafahana mifampidinika matetika kokoa sy manao tombana ny fanatanterahana ireo tetikasa iraisana. Ny fiarovana ny harena voajanahary, ny ady amin’ny fandotoana, ny fandrosoana lovainjafy ary ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro no iompanan’ny fiaraha-miasa.

Lire la suite

Articles Similaires