• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Défi Madagascar
Image
Vaovao

Fifidianana tany Rosia : Nanara-maso izany ny solon-tenan’ny CENI avy eto Madagasikara

18/03/2024 14:04 © Moov.Mg

Nanara-maso ny fifidianana filoham-pirenena notontosaina tany Rosia, ny 15 hatramin’ny17 martsa teo, i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny solon-tena roa avy amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI).

Fihaonana iraisam-pirenena

Ny mpapaka-teny voalohany eo anivon’ny CENI, Soava Andriamarotafika sy ny tonia mpanatanteraka, Tseheno Rakotondrasoa, no nisolo tena ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana eto Madagasika, tamin’izany fanaraha-maso ny fifidianana tany Rosia izany. Fa nanomboka ny 14 martsa dia efa nanatrika ny fihaonam-be iraisam-pirenena nokarakarain’ny vaomiera mpisahana ny raharaham-pifidianana any an-toerana, ireto solontenan’i Madagasikara ireto, tany Moscou. Naharitra roa andro ity fihaonam-be ity ary firenena maro no nandray anjara tamin’izany. Niompana tamin’ny anjara toeran’ny fifidianana amin’ny maha-masi-mandidy azy eo amin’ny fametrahana ireo olona isan’ambaratongany hitantana ny fiainan’ny firenena, ny lahadinika tamin’izany. Eo koa ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena eo amin’izany raharaham-pifidianana izany.

Fomba fifidianana maoderina

Taorian’izay dia niroso tamin’ny fanaraha-maso ny fifidianana, niaraka tamin’ireo solontenan’ny firenen-kafa, ny solon-tenan’ny CENI avy eto Madagasikara. Nidinan’izy ireo ifotony, hatrany ambanivohitr’i Rosia, any amin’ny 200 km manodidina an’i Moscou. Isan’ny voamarika ny fomba nentin’ny mpifidy rosianina nanatanteraka ny fandatsaham-bato, araka ny fanazavan’ny mpapaka-tenin’ny CENI. Nisy ny fampiasana biletà tokana, toy ny mahazatra. Ankoatra izay anefa dia efa mampiasa ny fifidianana ampitain-davitra ihany koa i Rosia, amin’ny alalan’ny fampiasana ny aterineto. Nisy ihany koa ny fanampiana manokana ireo olona manana fahasembanana sy ireo zokiolona. Tsy voatery miala any an-tokantranony izy ireo, fa ny vaomiera mpikarakara ny fifidianana sy ny mpanara-maso no manatona azy ireo any an-tokantranony. Afaka misafidy amin’ireo fomba fifidianana roa ihany koa izy ireo, hoy ny fanazavan’i Soava Andriamarotafika.

Fotoam-piasana fahadimy

Kandida miisa 4 moa no nirotsaka hofidiana tamin’ity fifidianana filoham-pirenena Rosianina ity, raha tsiahivina, dia i Vladimir Poutine, filoha am-perin’asa, Leonid Sloutski, Vladislav Davankov ary Nikolaï Kharitonov, izay samy avy amin’ny fanoherana. Hatreto, raha ny vokatra ôfisialy voalohany, dia efa lany ho filoham-pirenena indray, amin’ny salan’isa 87%, i Vladimir Poutine. Araka izany, mbola hitondra an’i Rosia ao anatin’ny fotoam-piasana fahadimy indray izy. 71 taona ny lehilahy ankehitriny ary efa tamin’ny taona 1999 no niakatra teo amin’ny fitondrana. Efa 25 taona izany no nitantanany an’i Rosia, niaraka tamina fotoana fohy naha-praiminisitra azy. Maharitra 6 taona moa ny fotoam-piasana iray ho an’ny filoham-pirenena, any an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires