• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © 123Rf
Image
Vaovao

Fikorontanan-tsaina « schizophrénie » : Olona 24 tapitrisa no voany, maneran-tany

18/03/2024 10:00 © Moov.Mg

Marihina androany 18 martsa ny andro eran-tany ho an’ny « schizophrénie ». Aretin’ny fikorontanan’ny saina tsy be mpahalala firy izy io eto Madagasikara, nefa tsy vitsy no voany, na dia tsy ananantsika aza ny antontan’isa mazava.

Fikorontanan’ny saina

Olona 24 tapitrisa maneran-tany no tratran’ny « schizophrénie ». Aretin’ny fikorontanan’ny saina izy io. Lasa mahita na mahatsapa zavatra tsy misy akory ny olona voany, izany hoe : zavatra foronin’ny sainy fotsiny, na ilay antsoina hoe : « hallucination ». Ny fahatsapana rehetra dia mety ho voa daholo : mahare olona miresaka aminy, mahita zavatra mampitahotra azy… Mety hahatonga azy ho mora mitebiteby izany ary miovaova be ny fihetseham-pony, ka mbetika mety ho tezitra, ary vetivety eo dia faly. Lasa mananosarotra ho an’ny olona tratran’ny « schizophrénie » ihany koa ny fifantohana ary lasa tia mitokantokana sy miala ny fiarahamonina izy. Mety ho tratran’ity aretin’ny saina ity avokoa ny olona rehetra, fa ny tanora 15 hatramin’ny 25 taona, ao anatin’ny fianarana, no tena betsaka tratrany.

Afaka miaina ara-dalàna

Aretina mitarazoka, na « chronique » ny « schizophrénie ». Amin’ny ankapobeny dia tsy misy antony tokana mahatonga azy, fa fitambaran-javatra maromaro. Amin’ny ankapobeny, vao teraka ilay olona dia efa marefo, noho ny tarazo. Miampy ny trangam-piainana iainany izany, dia mipoitra ilay « schizophrénie ». Ny olona niharan’ny herisetra, ohatra, dia mety ho tratrany, raha efa misy izay foto-tarazo marefo izay ao aminy. Azo atao tsara kosa anefa ny mitsabo ity aretina ity, mba hahafahan’ilay olona miaina ara-dalàna sy hahavitany ny fianarany sy ny asany. Saingy mazàna no efa mitotototo etsy sy eroa ny fianakaviana, hoy ny Pr Raharivelo Adeline, psikiatra ao amin’ny hôpitaly Befelatanana, vao tonga manatona dokotera. Fanentanana tokony ampiana tosika, araka izany, ny famporisihana ny olona ho avy hanatona psikiatra, rehefa misy fikorontanana mahazo ny saina, fa tsy aretina mahamenatra izany. Tsy misy aloha ny fahasitranana mandrakizay, raha ny momba ny aretina mahazo ny saina, araka ny fanazavan’ny Pr Raharivelo Adeline, saingy rehefa manaraka tsara ny fitsaboana kosa dia afaka mahavita fianarana sy asa, tahaka ny olona rehetra ihany.

Ady amin’ny fanilikilihana

Ny olana eto amintsika dia ny fanilikilihana mbola tena mahazo ireo olona manana olana ara-tsaina. Ny fanasokajiana azy ireny ho « adala », ohatra, dia efa mandratra sy mahatonga henatra ho azy ireo sy ny fianakaviany. Isan’ny antom-pisian’ny tetikasa HIFALI (Hetsika iombonana ho an’ny fahasalaman’ny saina sy ny lamina ifotony), izay andiany faharoa ankehitriny, ny ady amin’ny fanilikilihana ny olona tratran’ny olana ara-tsaina sy ny androbe, araka ny fanazavan’ny filohan’ny tetikasa, Randriamampionona Eugène. Tafiditra ao anatin’ny asa tanterahina ao anatin’ny tetikasa HIFALI 2 ny fanomezana sehatra ireo olona manana olana sy ny fianakaviany, mba hampahatsiahivana fa manana ny zony izy ireo. Eo ihany koa ny fampahaleovan-tena azy ireo sy fampandraisana anjara azy ireo eo anivon'ny fiarahamonina, izay paikady hamerenana indray ny fahatokisan-tenany.

Lire la suite

Articles Similaires