• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Teknisianin’ny ala : Mpiasan’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainanana 30 isa no hahazo fiofanana

12/03/2024 16:59 © Moov.Mg

Mpiasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainanana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) miisa 30 mianadahy no noraisin’ny Minisitra Fontaine Max Andonirina tamin’ny fomba ofisialy, androany, teny Soanala Ambatobe. Hanaraka fampiofanana ho lasa teknisianin’ny ala eny anivon’ny CNFTF (Centre de Formation Technicien Forestier) Angavokely Antananarivo izy ireo.

Fiofanana mandritra ny 18 volana

Raha tsiahivina dia nijoro tamin’ny taona 1913 ny « station forestière » Angavokely, ary ny taona 1943 izy no napetraka ho « Ecole des gardes forestiers ». Nikatona anefa ity ivon-toeram-panofanana teknisianin’ny ala ity, nanomboka ny taona 1960, ka ny taona 2018 indray vao naverina nosokafana. Teknisianin’ny ala miisa 55 no efa navoakan’ny CNFTF, ary amin’ity taona 2024 ity dia teknisianina miisa 60 no hofanina mandritra ny 18 volana. Ireto 30 mianadahy noraisina androany ireto no mpiasan’ny MEDD handranto fahalalana ao, fa mbola misy 30 hafa fanampiny hisitraka fiofanana ao ihany koa, ho an’ny taona 2024-2025. Mahazo ny diplaoma BTS izy ireo, rehefa vita ny fiofanana ary hiparitaka eny anivon’ny Fitaleavam-paritra aorian’izay, hanampy isa ireo mpianala eny anivon’ny Faritra. Ny 15 martsa izao no fara-fandraisana ny antontan-taratasin’ireo olon-kafa maniry ny hiofana eny anivon’ny CNFTF.

Tsy ampy teknisianina

Paikady noraisin’ny Ministera hampitomboana isa ireo mpianala ity “fiofanana mitohy” na “formation continue” ity, hoy Andriamatoa Minisitra, mba ho fanatanterahana ireo andry 3 lehibe napetraky ny Filoham-pirenena, dia ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena, ary ny fahaiza-mitantana. Tsy ampy isa ireo mpian’ala eto amintsika, raha ny antontan’isa no jerena, hoy hatrany ny Minisitra, ary fitarainana matetika voarainy ny hoe : tsy ampy mpiara-miasa ny fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana. Heverina fa hamaha olana izao fanampiana isa ny teknisianin’ny ala izao, na dia amin’ny ampahany ihany aza. Ny GIZ no manohana ny MEDD amin’izao ezaka izao, ary ity fiaraha-miasa alemana ity dia efa niara-dia tamin’ny CNFTF hatramin’izay, raha ny fampahatsiahivan’ny Minisitra. Miankina amin’ny andraikitra sahanin’ireto ho lasa teknisianin’ny ala ireto no hisitrahan’ny taranaka amam-para ireo karazanjavamananaina misy eto Madagasikara, hoy hatrany Atoa Fontaine Max Andonirina.

Lire la suite

Articles Similaires