• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fitantanana ny harena voajanahary : Vonona ny hanohana an’i Madagasikara hatrany i Etazonia

12/03/2024 12:09 © Moov.Mg

Tanjona iombonana ny fiarovana ny tontolo iainana maneran-tany, indrindra ny karazanjavamananaina eto Madagasikara, izay manana ny ny 5%-n'ny zavamananaina maneran-tany. Isan’ny manan-danja ao anatin’izany ny fitantanana ny ranomasina, izay sady anto-piveloman’ny mponina maro, no manintona mpizahatany ihany koa.

Tanjona iombonana

Manomana hetsika vaovao momba ny tontolo iainana, izay mifantoka amin'ny fiarovana sy fitantanana ny harena voajanahary an-tanety sy an-dranomasina, ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) amin’izao fotoana izao. Tanjona lehibe ao anatin’izany, ny hanampiana an’i Madagasikara amin'ny fiatrehana ireo fanamby maro, toy ny olan’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny ady amin’ny fanondranana voahary an'ala sy ny bibidia an-tsokosoko. Nihaona tamin’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, araka izany, ny Ambasadaoro Amerikanina, Claire Pierangelo, notronin’ny Talen'ny USAID Madagascar, Michele Russell, ary niresaka momba ireo tanjona iombonana amin’ny fiarovana ny harena voajanahary eto Madagasikara.

Fametrahana ny fangaraharana

Nihaona tamin’i Mahatante Tsimanaorate Paubert, Minisitry ny Jono sy Toe-karena Manga, ihany koa ny delegasiona notarihin’ny Ambasadaoro Amerikanina sy ny Talen’ny USAID Madagascar, niresaka momba ny fitantanana ny ranomasina sy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta eo amin’ny sehatry ny asa an-dranomasina sy ny fiatrehana ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voambara sy tsy voafehin-dalàna. Nandritra izany dia nanamafy ny fiarahabany ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga izy ireo, tamin’ny famoahany ny tatitra FiTI (Fishiries Transparency Initiative), izay mametraka ny fangaraharana eo amin’ny sehatry ny jono eto Madagasikara. Mbola nohamafisiny ihany koa ny fahavononan’ny governemanta amerikana hanampy amin’ny fampiofanana ireo tompon’andraiki-panjakana Malagasy, indrindra ireo mpanara-maso ny jono, amin’ny ady amin’ny Jono tsy ara-dalàna.

Fitantanana maharitra

Hatramin’ny fiandohan’ny taona 1990 no efa nanohana an’i Madagasikara tamin'ny fametrahana paikady sy ny fanampiana ara-teknika, amin’ny alalan’ny USAID, ny governemanta amerikanina, mba hiarovana ny zavamananaina sy hampiroboroboana ny fampiasana maharitra ny harena voajanahary, ho an'ny tombontsoan’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Mbola nanamafy ny fitohizan’izany fiaraha-miasa amin’i Madagasikara izany i Etazonia, ka tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fitantanana an-dranomasina, mba hanamafisana ny fitantanana maharitra ny tontolo iainana sy ny fihariana an-dranomasina ho an’ireo vondrom-piarahamonina amorontsika ary hampihenana ireo ambana amin’ny zavaman’aina an-dranomasina.

Lire la suite

Articles Similaires